Salamo 82 - Malagasy Protestant Bible

Ny fitsaran’Andriamanitra ny mpitsara ety an-tany.

1Salamo nataon’i Asafa.

ANDRIAMANITRA dia eo amin’ny fiangonan’Andriamanitra;

Ary eo amin’ireo andriamanitra no itsarany.

2Mandra-pahoviana no hitsaranareo tsy marina,

Ka ihenaranareo maso ny ratsy fanahy?

[Sela.]

3Alaharo ny tenin’ny mahantra sy ny kamboty;

Omeo rariny ny ory sy ny malahelo.

4Vonjeo ny mahantra sy ny malahelo;

Afaho amin’ny tànan’ny ratsy fanahy izy.

5Tsy mahalala na mahazo an-tsaina ireny;

Ao amin’ny maizina no andehanany; mihorohoro ny fanambanin’ny tany rehetra.

6Hoy izaho: Andriamanitra hianareo,

Ary zanaky ny Avo Indrindra hianareo rehetra;

7kanjo ho faty tahaka ny olona ihany hianareo,

Ary samy ho lavo tahaka ny anankiray amin’ny lehibe.

8Mitsangàna, Andriamanitra ô, tsarao ny tany;

Fa Hianao no handova ny firenena rehetra.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help