Salamo 2 - Malagasy Protestant Bible

Ny mpikomy amin’Andriamanitra sy ny Mesiany.

1NAHOANA no mitabataba ny jentilisa,

Ary misaina anoano foana ny firenena?

2Ireo mpanjakan’ny tany mitsangana,

Ary ny mpanapaka miara-mioko

Hanohitra an’i Jehovah sy ny Mesiany ka manao hoe:

3,,Aoka hotosantsika ny famatorany,

Ka hariantsika hiala amintsika ny famehezany.’’

4Izay mipetraka any an-danitra mihomehy,

Ny Tompo maneso ireo.

5Dia hiteny azy amin’ny fahavinirany Izy

Ka hampangorohoro azy amin’ny fahatezerany hoe:

6,,Izaho kosa efa nanendry ny Mpanjakako

Tambonin’i Ziona, tendrombohitro masina.’’

7,,Hilaza zava-boatendry Aho;

Jehovah nilaza tamiko hoe: Zanako Hianao,

Izaho niteraka Anao andro-any.

8Mangataha amiko, dia homeko ho lova nao ny jentilisa

Ary ny faran’ny tany ho fanananao.

9Hotorotoroinao amin’ny tehimby izy:

Toy ny famaky vilany tany no hanamontsamontsananao azy.’’

10Ary amin’izany dia hendre hianareo, ry mpanjaka;

Minoa anatra hianareo, ry mpitsaran’ny tany.

11Manompoa an’i Jehovah amin’ny fahatahorana,

Ary mifalia amin’ny fangovitana.

12Manoroha ny Zanaka, fandrao ho tezitra Izy, ka ho very eny an-dàlana hianareo;

Fa vetivety dia hirehitra ny fahatezerany.

Sambatra izay rehetra mialoka aminy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help