Galatiana 6 - Malagasy Protestant Bible

1Ry rahalahy, raha misy olona azon’ny ota tsy nahy aza, dia atsanganonareo izay manana ny Fanahy amin’ny fahamorana izy, ka mihevera ny tenanao, fandrao hianao koa mba halaim-panahy ihany.

2Mifampitondrà izay mahavesatra, ary aoka izany no hahatanterahanareo ny lalàn’i Kristy.

3Fa raha misy manao ny tenany ho zavatra, kanjo tsinontsinona, dia mamitaka ny tenany izy.

4Fa aoka ny olona rehetra samy hizaha toetra ny asany avy, dia samy hanana hafaliana ny amin’ny tenany ihany izy, fa tsy ny amin’ny olon-kafa;

5fa samy hitondra ny entany avy ny olona rehetra.

6Aoka izay ampianarina ny teny mba hahafoy zava-tsoa ho an’izay mampianatra.

7Aza mety hofitahina hianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ny olona no hojinjany.

8Fa izay mamafy ho an’ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin’ny nofo; ary izay mamafy ho an’ny Fanahy dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin’ny Fanahy.

9Ary aza mba ketraka amin’ny fanaovan-tsoa isika; fa amin’ny fotoan’andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika.

10Koa araka ny ananantsika andro hanaovana, dia aoka isika hanao soa amin’ny olona rehetra, indrindra fa amin’ny mpianakavin’ny finoana.

Anatra farany.

11INDRO ny havaventin’ny soratra izay soratan’ny tànako ho aminareo.

12Na iza na iza te-hiseho ho tsara amin’ny nofo, dia ireo no manery anareo hoforana, nefa noho izao ihany: fandrao henjehina noho ny hazofijalian’i Kristy izy.

13Fa na dia ny tenan’izy voafora aza dia tsy mitandrina ny lalàna; kanefa tiany ho forana koa hianareo, mba hireharehany amin’ny nofonareo

14Fa sanatria raha mba misy hataoko rehareha afa-tsy ny hazofijalian’i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay naha-voahombo izao tontolo izao tamin’ny hazofijaliana, raha ny amiko, ary izaho kosa, raha ny amin’izao tontolo izao.

15Fa samy tsy mahasoa na ny famorana na ny tsi-famorana, fa ny ho olom-baovao.

16Ary izay rehetra mandeha araka ity fitsipika ity, dia ho aminy anie ny fiadanana sy ny famindrampo, ary ho amin’ny Isiraelin’Andriamanitra.

17Amin’izao sisa izao aoka tsy hisy hanahirana ahy intsony; fa izaho mitondra ny marik’i Jesosy voatomboka eo amin’ny tenako.

18Ho amin’ny fanahinareo anie, ry rahalahy, ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompontsika. Amena.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help