Hosea 14 - Malagasy Protestant Bible

1Hovaliana Samaria noho ny helony,

Fa niodina tamin’Andriamaniny izy;

Ho lavon-tsabatra izy,

Ny zanany madinika hotorotoroina,

Ary izay bevohoka eo aminy hotatahana.

Ny hamindran’i Jehovah fo amin’ny Isiraely, rehefa mibebaka.

2RY Isiraely ô, miverena amin’i Jehovah Andriamanitrao,

Fa lavon-keloka hianao.

3Mitondrà teny hianareo,

Eny, miverena amin’i Jehovah, ka manaova aminy hoe:

Mamelà ny heloka rehetra,

Ary raiso izay tsara,

Ka dia haterinay ho fanatitra ny molotray.

4Asyria tsy hamonjy anay,

Tsy hitaingin-tsoavaly izahay

Sady tsy hiteny amin’ny asan’ny tanànay intsony hoe: Ry Andriamanitray ô;

Fa ao aminao no ahitan’ny kamboty famindrampo.

5Hositraniko ny fiodinany,

Ho tia azy tsy vozonana Aho;

Fa efa niala taminy ny fahatezerako.

6Ho tahaka ny ando Aho amin’ny Isiraely;

Hamony tahaka ny lilia izy

Ary hamaka tahaka an’i Libanona.

7Hisandrahaka ny rantsany,

Ho tahaka ny an’ny hazo oliva ny hatsaran-tarehiny,

Ary ho tahaka ny an’i Libanona ny hanitra avy aminy.

8Izay mipetraka ao ambanin’ny alokalony

Dia hampahavokatra vary indray,

Ary haniry tahaka ny voaloboka izy;

Ny lazany ho tahaka ny an’ny divay avy any Libanona.

9Ry Efraima ô, hataoko inona intsony izay sampy?

Izaho dia efa nihaino ka nitsinjo anao;

Tahaka ny hazo kypreso maitso Aho,

Avy amiko no hahazoana ny vokatrao.

10Iza no hendry mba hahafantatra izany zavatra izany?

Na manan-tsaina mba hahalala izany?

Fa mahitsy ny làlan’i Jehovah,

Ary ny marina no mizotra eny aminy;

Fa ny mpanota kosa dia tafintohina eny aminy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help