Isaia 64 - Malagasy Protestant Bible

1Dia tahaka ny fandevon’ny afo ny tapa-kazo maina

Sy ny fampangotraky ny afo ny rano–

Mba hampahafantatra ny fahavalonao ny anaranao,

Ka hangovitra eo anoloanao ny jentilisa.

2Raha nanao zava-mahatahotra izay tsy nantenainay Hianao,

Dia nidina, ka nihorohoro teo anoloanao ny tendrombohitra.

3Fa hatrizay hatrizay dia tsy mbola ren’ny olona, na nohenoiny,

Na hitan’ny masony, Izay Andriamanitra miasa ho an’ny miandry Azy afa-tsy Hianao.

4Mitsena izay mifaly hanao ny marina Hianao

Dia izay mahatsiaro Anao amin’ny làlanao;

Indro, Hianao dia tezitra, ary hita fa meloka izahay;

Hatramin’ny ela dia izany no toetray, ka dia hovonjena va?

5Fa samy efa tahaka ny olo-maloto izahay rehetra,

Ary tahaka ny lamba mihosin-dra ny fahamarinanay rehetra;

Malazo tahaka ny ravina izahay rehetra,

Ary ny helokay mipaoka anay tahaka ny rivotra,

6Tsy misy miantso ny anaranao,

Na mifoha hifikitra aminao;

Fa efa nanafina ny tavanao taminay Hianao

Ka nandevona anay noho ny helokay.

7Fa ankehitriny, Jehovah ô, Rainay Hianao;

Izahay dia tanimanga, ary Hianao no mpanefy anay,

Ary asan’ny tànanao izahay rehetra.

8Aza dia tezitra mafy loatra, Jehovah ô,

Ary aza dia mahatsiaro heloka mandrakizay;

Masìna Hianao, tsinjovy, fa olonao izahay rehetra.

9Tonga efitra ireo tanànanao masina,

Eny, tany lavavolo Ziona,

Ary efa lao Jerosalema.

10Ny tranonay masina sady mendrika,

Izay nideran’ny razanay Anao,

Dia voadotry ny afo,

Ary rava ny zavatray mahafinaritra rehetra.

11Ary mbola mahatsindry fo amin’izany zavatra izany ihany va Hianao, Jehovah ô?

Hangina va Hianao ka hampahory anay mafy loatra?

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help