Salamo 103 - Malagasy Protestant Bible

Fiderana an’Andriamanitra noho ny fahatsarany sy ny famindrampony.

1Nataon’i Davida.

MISAORA an’i Jehovah, ry fanahiko;

Ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny anarany masina.

2Misaora an’i Jehovah, ry fanahiko;

Ary aza misy hadinoinao ny fitahiany rehetra,

3Izay mamela ny helokao rehetra,

Izay manasitrana ny aretinao rehetra,

4Izay manavotra ny ainao tsy hidina any an-davaka,

Izay manarona famindrampo sy fiantrana anao,

5Izay mahavoky soa ny vavanao;

Ny fahatanoranao mody indray toy ny an’ny voromahery.

6Jehovah manao fahamarinana

Sy fitsarana amin’izay rehetra ampahorina.

7Efa nampahafantatra an’i Mosesy ny làlan-kalehany Izy;

Ny Zanak’Isiraely nampahafantariny ny asany.

8Mamindra fo sy miantra Jehovah,

Mahari-po sady be famindrampo.

9Tsy mandaha-teny mandrakariva Izy,

Na mitahiry fahatezerana mandrakizay.

10Tsy mba manao amintsika araka ny fahotantsika Izy,

Na mamaly antsika araka ny helotsika.

11Fa tahaka ny hahavon’ny lanitra ambonin’ny tany

No haben’ny famindrampony amin’izay matahotra Azy.

12Tahaka ny halavitry ny atsinanana amin’ny andrefana

No halavitry ny anesorany ny fahotantsika amintsika.

13Tahaka ny fiantràn’ny ray ny zanany

No fiantràn’i Jehovah izay matahotra Azy;

14Fa Izy mahalala ny toetsika

Ka mahatsiaro fa vovoka isika.

15Tahaka ny ahitra ny andron’ny zanak’olombelona;

Tahaka ny vonin-javatra any an-tsaha ny famoniny,

16Satria tsofin’ny rivotra izy ka lasa,

Ary tsy mahalala azy intsony ny fitoerany.

17Fa ny famindrampon’i Jehovah dia hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay amin’izay matahotra Azy

Ary ny fahamarinany mihatra amin’ny taranaka.

18Dia amin’izay mitandrina ny fanekeny

Sy mahatsiaro hankatò ny didiny.

19Jehovah efa nampitoetra ny seza fiandrianany any an-danitra;

Ary ny fanjakany manapaka izao tontolo izao.

20Misaora an’i Jehovah, hianareo anjeliny,

Dia hianareo izay mahery indrindra sady mankatò ny didiny

Ary mihaino ny feon’ny teniny.

21Misaora an’i Jehovah, ny miaramilany rehetra,

Dia ny mpanompony izay manao ny sitrapony.

22Misaora an’i Jehovah, ny asany rehetra eran’ny fanjakany;

Misaora an’i Jehovah, ry fanahiko.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help