1Ho an’ny mpiventy hira. Ho an’i Jedotona. Salamo nataon’i Davida.
HOY izaho: Hitandrina ny làlako aho ka tsy hanota amin’ny lelako;
Hasiako fehim-bava ny vavako,
Raha mbola eo anatrehako ny ratsy fanahy.
2Nangina mihitsy aho,
Namihim-bava aho ka tsy nilaza na dia ny tsara aza,
Dia nihetsika mafy ny fanaintainan’ny aretiko.
3Nafana ny foko tato anatiko;
Raha nieritreritra aho, dia nisy afo nirehitra,
Ka niteny tamin’ny lelako aho.
4Jehovah ô, ampahafantaro ny farako aho
Sy izay ohatry ny androko;
Aoka ho fantatro fa olon-kandalo aho.
5Indro, efa nataonao vodivoam-pelatanana ny androko;
Ary ny fiainako toy ny tsinontsinona eo anatrehanao;
Zava-poana ihany tokoa ny olona rehetra, na dia ny matanjaka aza.
[Sela.]
6Aloka tokoa no fandehandehan’ny olona;
Zava-poana tokoa no itabatabany;
Mihary harena izy, nefa tsy fantany izay ho tompon’izany.
7Ary ankehitriny, inona no andrasako, Tompo ô?
Hianao no antenaiko.
8Manafaha ahy amin’ny fahadisoako rehetra;
Aza manao ahy ho fanakòran’ny adala.
9Mangina aho ka tsy miloa-bava;
Fa Hianao no nanao izao.
10Aoka hitsahatra ny fikapohanao ahy;
Reraka aho azon’ny famelin’ny tànanao.
11Anatra noho ny fahadisoany no ananaranao ny olona,
Ka manimba ny hatsaran-tarehiny tahaka ny kalalao Hianao;
Zava-poana tokoa ny olona rehetra.
[Sela.]
12Mandrenesa ny fivavako, Jehovah ô;
Ary mihainoa ny fitarainako;
Aza mangina amin’ny ranomasoko;
Fa vahiny aminao aho
Sy mpivahiny tahaka ny razako rehetra.
13Aza atrehinao aho aloha, dia ho miramirana indray,
Dieny aho tsy mbola lasa ka tsy ho eto intsony.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.