1Izaho dia voninkazo eny an-tanety ihany
Sy lilia eny an-dohasaha.
2Toy ny lilia eo amin’ny tsilo,
Dia toy izany tompokovavy havako eo amin’ny zazavavy.
3Toy ny hazo poma amin’ny hazo any an-ala,
Dia toy izany ny malalako eo amin’ny zatovo.
Mahafinaritra ahy indrindra ny mipetraka eo ambanin’ny alokalony,
Sady mamy ao am-bavako ny voany.
4Nentiny ho ao an-tranon-divay aho,
Ary ny fanevany eo amboniko dia fitiavana.
5Hatanjaho amin’ampempam-boaloboka aho,
Ary velombelomy amin’ny poma aho,
Fa mararim-pitia.
6Aoka ny tànany ankavia hanondana ahy,
Ary aoka ny tànany ankavanana hanohona ahy.
7Mampianiana anareo amin’ny gazela na amin’ny dieravavy any an-tsaha aho, ry zanakavavin’i Jerosalema:
Aza manaitra na mamoha ny fitiavana raha tsy efa sitrapony.
Tenin’ny ampakarina, raha nitoetra irery izy.8INJAY, ny feon’ilay malalako! Indro, tamy izy
Ka miantsambotsambotra eny an-tendrombohitra
Ary mitsambikimbikina eny amin’ny havoana.
9Ny malalako dia tahaka ny gazela na ny diera tanora;
Indro, mijanona eo ala-tranonay izy,
Mitsidika eo am-baravarankely,
Manarangarana eo amin’ny makarakara.
10Niteny ny malalako ka nanao tamiko hoe:
Mitsangàna, ry tompokovavy havako, ry tsara tarehiko, ka andeha ary!
11Fa, indro, lasa ny ririnina,
Ritra tsy misy intsony ny ranonorana;
12Miposaka eo amin’ny tany ny voninkazo;
Tonga ny taona fanaovam-peo fifaliana,
Ary re atỳ amin’ny tanintsika ny feon’ny domohina.
13Ny aviavy mahamanitra ny voany tanora,
Mamony ny voaloboka ka mamerovero tsara.
Mitsangàna, ry tompokovavy havako, ry tsara tarehiko, ka andeha ary!
14E, ry voromailalako ao amin’ny tsefatsefaky ny harambato,
Dia ao amin’ny fialokalofana amin’ny fiakarana mideza,
Aoka hahita ny endrikao
Sy handre ny feonao aho;
Fa mamy ny feonao, sady mahafinaritra ny endrikao.
15Sambory ny amboahaolo, dia ireo amboahaolo madinika
Izay manimba ny tanimboaloboka;
Fa efa mamony izao ny voalobotsika.
16Ahy ny malalako, ary azy aho,
Dia ilay miandry ny ondriny eny amin’ny lilia.
17Mandra-pangatsiatsiaky ny andro, ka efa hilentika ny masoandro,
Mitodiha, ry ilay malalako, ary aoka ho tahaka ny gazela na ny diera tanora
Eny an-tendrombohitra be hantsana hianao.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.