1JEHOVAH no Mpanjaka, mitafy voninahitra Izy;
Jehovah mitafy,–eny, misikina hery Izy;
Ary izao rehetra izao nampitoerina ka tsy hihetsika.
2Ny seza fiandriananao nampitoerina hatramin’ny fahagola;
Hatrizay hatrizay Hianao.
3Manandra-peo ny riaka, Jehovah ô,
Eny, manandra-peo ny riaka;
Mampirohondrohona ny feony ny riaka.
4Mihoatra noho ny rano sady be no mahery,
Eny, mihoatra noho ny onjan-dranomasina lehibe,
Ny voninahitr’i Jehovah any amin’ny avo.
5Ny teni-vavolombelonao dia marina indrindra;
Fahamasinana no mendrika ny tranonao mandritra ny andro maro, Jehovah ô.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.