Ohabolana 2 - Malagasy Protestant Bible

Ny soa hitan’izay mandray ny fahendrena.

1ANAKA, raha raisinao ny teniko,

Ary raketinao ao am-ponao ny didiko,

2Ka atongilanao amin’ny fahendrena ny sofinao,

Ary ampitandremanao fahalalana ny fonao;

3Eny, raha miantso ny fahalalana hianao

Ary manandratra ny feonao hahazo saina,

4Raha mitady azy toy ny fitady volafotsy hianao

Ary mikatsaka azy toy ny fikatsaka harena afenina:

5Dia ho fantatrao marina ny fahatahorana an’i Jehovah,

Ary ho hitanao ny fahalalana an’Andriamanitra.

6Fa Jehovah no manome fahendrena;

Avy amin’ny vavany no ihavian’ny fahalalana sy ny fahazavan-tsaina.

7Izy mitahiry fanambinana ho an’ny mahitsy

Sady ampingan’izay mandeha tsy misy tsiny;

8Ka dia mitandrina ny làlan’ny fahamarinana Izy

Ary miambina ny làlan’ny olony masina.

9Ary amin’izay dia ho fantatrao ny fahamarinana sy ny rariny

Ary ny hitsiny, dia ny làlana tsara rehetra.

10Raha latsaka ao am-ponao ny fahendrena,

Ary mamin’ny fanahinao ny fahalalana,

11Dia hiaro anao ny fisainana mazava,

Ary hiambina anao ny fahalalana,

12Ka hamonjy anao amin’ny làlan-dratsy

Sy amin’ny lehilahy izay miteny fitaka,

13Izay mahafoy ny làlan’ny fahamarinana

Mba hizorany amin’ny làlan’ny fahamaizinana,

14Dia izay faly hanao ratsy

Sy finaritra amin’ny fitaky ny ratsy,

15Dia izay melo-dàlana

Sy maniasia amin’ny alehany;

16Ary hamonjy anao amin’ny vehivavy jejo koa izany,

Dia amin’ny vahiny janga izay mandrobo amin’ny teniny,

17Izay mahafoy ny vadin’ ny fahatanorany

Sy manadino ny fanekeny teo amin’Andriamaniny.

18Fa ny tranony milentika ho amin’ny fahafatesana,

Ary ny alehany mankany amin’ny maty.

19Tsy misy afa-miverina izay mankany aminy,

Na mihazo amin’ny làlan’aina, –

20Handehananao amin’ny làlan’ny tsara fanahy

Sy hitandremanao ny alehan’ny marina.

21Fa ny olona mahitsy no honina amin’ny tany,

Ary ny tsy manan-tsiny ihany no ho sisa mitoetra ao;

22Fa ny ratsy fanahy kosa hofongorana amin’ny tany,

Ary ny mpivadika hongotana.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help