Isaia 7 - Malagasy Protestant Bible

Ny amin’ny hahaterahan’Imanoela, sy ny amin’ny handravana ny fanjakan’i Syria sy Efraima.

1ARY tamin’ny andron’i Ahaza, zanak’i Jotama, zanak’i Ozia, mpanjakan’ny Joda, no niakaran’i Rezina, mpanjakan’i Syria, sy Peka, zanak’i Remalia, mpanjakan’ny Isiraely, hanafika an’i Jerosalema, nefa tsy nahafaka azy izy.

2Dia nambara tamin’ny taranak’i Davida hoe: Injao ny Syriana efa mitoby any amin’ny Efraima. Ary niròndròna ny fony sy ny fon’ny vahoakany toy ny firòndrònan’ny hazo any an-ala, raha asian’ny rivotra.

3Ary hoy Jehovah tamin’Isaia: Mivoaha hianao sy Seara-jasoba zanakao hitsena an’i Ahaza eo amin’ny faran’ny lakan-drano amin’ny kamory ambony, eo amin’ny làlambe mankamin’ny sahan’ny mpamotsy lamba,

4ka lazao aminy hoe:

Mitandrema, ka aza taitaitra foana;

Aza matahotra, ary aoka tsy ho ketraka ny fonao

Noho ireto tapa-porohana roa midonaka ireto,

Dia ny firehetan’ny fahatezeran-dRezina sy Syria ary ny zanak’i Remalia.

5Satria efa nanao saina hampidi-doza aminao

Syria sy Efraima ary ny zanak’i Remalia ka nanao hoe:

6Andeha isika hananika an’i Joda ka hampaharaiki-tahotra azy

Ary hanafaka azy ho antsika

Ka hanangana ny zanak’i Tabeala ho mpanjaka ao afovoany,

7Dia izao no lazain’i Jehovah Tompo:

Tsy ho tanteraka izany,

Ary tsy hisy izany;

8Fa ny lohan’i Syria dia Damaskosy,

Ary ny lohan’i Damaskosy dia Rezina

(Ary ao anatin’ny dimy amby enim-polo taona dia ho rava ny Efraima

Ka tsy ho vanon-ko firenena intsony),

9Ary ny lohan’i Efraima dia Samaria,

Ary ny lohan’i Samaria dia ny zanak’i Remalia.

Raha tsy mety mino hianareo,

Dia tsy ho tafatoetra.

10Ary Jehovah mbola niteny tamin’i Ahaza ihany ka nanao hoe:

11Mangataha famantarana amin’i Jehovah Andriamanitrao; eny, mangataha na ho avy amin’ny lalina ambany, na ho avy amin’ny avo ambony.

12Fa hoy Ahaza: Tsy hangataka aho, fa tsy haka fanahy an’i Jehovah.

13Dia hoy Isaia:

Mihainoa ary, ny taranak’i Davida:

Ataonareo ho zavatra kely foana moa ny hanasatra ny olona,

No dia hanasatra an’Andriamanitro koa hianareo?

14Ary noho izany dia ny Tompo no hanome famantarana ho anareo:

Indro, hanan-anaka ny virijina ka hiteraka zazalahy;

Ary ny anarany hataony hoe Imanoela.

15Rehefa mahalala handa ny ratsy sy hifidy ny tsara izy,

Dia rononomandry sy tantely no ho fihinany.

16Fa raha tsy mbola mahalala handa ny ratsy sy hifidy ny tsara izany zaza izany,

Dia ho lao ny tanin’ireo mpanjaka roa maharaiki-tahotra anao ireo.

17Jehovah hahatonga aminao

Sy ny olonao ary ny mpianakavin-drainao

Izay andro tsy mbola nisy toa azy

Hatramin’ny andro nialan’i Efraima tamin’ny Joda

(Dia ny mpanjakan’i Asyria).

18Ary amin’izany andro izany Jehovah hisiaka hiantso ny lalitra, izay any amin’ny faran’ny onin’i Egypta,

Sy ny renitantely, izay any amin’ny tany Asyria;

19Dia ho avy ireo, ka samy hipetraka amin’ny lohasaha lao,

Sy eny an-tsefatsefaky ny harambato,

Sy eny amin’ny fefy tsilo rehetra,

Ary eny amin’ny saha fiandrasana rehetra.

20Amin’izany andro izany koa ny Tompo hanaratra ny loha sy ny volon-tongotra

Amin’ny hareza nohofana any amoron’ny Ony

(Dia ny mpanjakan’i Asyria);

Ary ny volom-bava hokakasana amin’iny koa.

21Ary amin’izany andro izany

Dia samy hiompy ombivavy kely sy ondry roa ny olona;

22Ary noho ny haben’ny ronono azo avy amin’ireo dia hihinana rononomandry izy;

Fa rononomandry sy tantely no ho fihinan’ny olona sisa rehetra ao amin’ny tany.

23Ary amin’izany andro izany dia ho rakotry ny hery sy ny tsilo

Ny tany rehetra izay nisy voaloboka arivo nahazo sekely arivo.

24Zana-tsipìka sy tsipìka no ho entin’izay miditra ao,

Satria rakotry ny hery sy ny tsilo ny tany rehetra.

25Ary ny tanety rehetra izay nohevoina tamin’ny angady

Dia tsy ho azonao diavina noho ny fahatahorana ny hery sy ny tsilo;

Fa ho falehan’ny omby

Sy ho voahitsakatsiky ny ondry aman-osy izany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help