Jona 2 - Malagasy Protestant Bible

Ny namonjena an’i Jona, sy ny vavaka aman-tsaotra nataony.

1ARY Jehovah nanomana hazandrano lehibe hitelina an’i Jona. Ary Jona dia tao an-kibon’ilay hazandrano hateloan’ andro sy hateloan’alina.

2Dia nivavaka tamin’i Jehovah Andriamaniny tao an-kibon’ny hazandrano Jona

3ka nanao hoe:

Niantso an’i Jehovah tamin’ny fahoriako aho,

Ka dia namaly ahy Izy;

Tao anatin’ny fiainan-tsi-hita no nitarainako,

Dia nihaino ny feoko Hianao.

4Fa efa natsipinao tao amin’ny lalina aho,

Dia tao amin’ny ranomasina,

Ka voasafotry ny riaka aho;

Nanarona ahy ny alon-dranonao sy ny onjanao rehetra.

5Dia hoy izaho: Voaroaka tsy ho eo anatrehanao aho,

Nefa mbola nanatrika ny tempolinao masina ihany.

6Ny rano nanarona ahy hatramin’ny aiko,

Ny lalina namefy ahy manodidina;

Ny zava-maniry any an-dranomasina nisingotra manodidina ny lohako.

7Tafalatsaka tany amin’ny fanambanin’ny tendrombohitra aho;

Ny hidin’ny tany nanidy ahy mandrakizay;

Nefa nampiakatra ny aiko avy tao an-davaka Hianao, Jehovah Andriamanitro ô.

8Raha reraka tato anatiko ny fanahiko,

Dia nahatsiaro an’i Jehovah aho;

Ka tonga tao aminao ny fivavako,

Dia tao amin’ny tempolinao masina.

9Izay mivavaka amin’ny sampy

Dia mahafoy Izay Mpamindra fo aminy;

10Fa izaho, dia feo midera no entiko mamono zavatra hatao fanatitra ho Anao,

Ary izay nivoadiako dia hefaiko;

An’i Jehovah ny famonjena.

11Ary Jehovah nandidy ilay hazandrano, ka dia naloany ho eny amin’ny tany maina Jona.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help