Salamo 123 - Malagasy Protestant Bible

Fanantenana an’Andriamanitra hanafaka amin’ny fanebahana sy ny fanamavoana.

1Fihirana fiakarana

AMINAO no anandratako ny masoko,

Ry Mpitoetra any an-danitra ô.

2Indro, toy ny fijerin’ny ankizilahy

Ny tànan’ny tompolahiny,

Ary toy ny fijerin’ny ankizivavy

Ny tànan’ny tompovaviny,

No fijerintsika an’i Jehovah Andriamanitsika,

Mandra-pamindra fony amintsika.

3Mamindrà fo aminay, Jehovah ô, mamindrà fo aminay;

Fa tototry ny fanamavoana loatra izahay;

4Eny, tototry ny famingavingan’ny miadana ny fanahinay,

Sy tototry ny fanamavoan’ny mpiavonavona.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help