Mika 7 - Malagasy Protestant Bible

Ny faharatsian’ny Isiraely, sy ny hanjo azy, ary ny hibebahany, sy ny hamindran’Andriamanitra fo aminy.

1LOZAKO! fa efa tonga toy ny fiotazam-boankazo aho

Sy toy ny fitsimponam-boaloboka,

Tsy misy salohy hohanina,

Na aviavy mialintaona, izay irin’ny fanahiko,

2Lany tsy misy amin’ny tany intsony ny tsara fanahy;

Eny, tsy misy olo-marina ao amin’ny olombelona;

Samy manotrika handatsa-dra avokoa izy,

Eny, mihaza ny rahalahiny amin’ny harato izy rehetra.

3Vonona hanao ratsy ny tànany;

Mila ny mpanapaka,

Azon-kolikoly ny mpitsara,

Ary ny lehibe milaza ny fitsiriritan’ny fanahiny,

Koa izany no entiny mandrarirary azy.

4Na dia ny tsara indrindra ao aminy aza dia toy ny roy,

Ary na dia ny mahitsy indrindra ao aminy aza dia ratsy noho ny fefy tsilo;

Avy ny andron’ny tilinao, izay hamaliana anao;

Amin’izany dia vao ho very hevitra hianao.

5Aza matoky namana hianareo,

Aza mahazo am-po izay sakaiza mahazatra;

Fa ambeno ny varavaran’ny vavanao na dia amin’izay andefimandrinao aza.

6Fa ny zanakalahy manamavo ny rainy,

Ny zanakavavy mitsangan-kanohitra ny reniny,

Ary ny vinantovavy hanohitra ny rafozani-vavy;

Ary ny ankohonan’ny olona ihany no fahavalony.

7Fa izaho kosa dia hanandrandra an’i Jehovah,

Eny, hiandry an’Andriamanitry ny famonjena ahy aho;

Andriamanitro no hihaino ahy.

8Aza mifaly ahy, ry fahavaloko,

Fa na dia lavo aza aho, mbola hiarina ihany;

Raha mitoetra ao amin’ny maizina aho,

Dia Jehovah no fahazavana ho ahy.

9Ny fahatezeran’i Jehovah dia hiaretako ihany–

Fa efa nanota taminy aho–

Ambara-pandahany ny teniko

Sy hanomezany rariny ho ahy;

Hamoaka ahy ho amin’ny mazava Izy,

Ka ho faly aho mahita ny fahamarinany.

10Dia hahita izany ilay fahavaloko ka hosaronan-kenatra,

Dia ilay nanao tamiko hoe: Aiza Izay Jehovah Andriamanitrao?

Ho faly mahita azy ny masoko;

Ankehitriny dia ho fanitsakitsaka toy ny fotaka eny an-dàlambe izy.

11He ny andro hananganana ny màndanao!

Amin’izany andro izany dia hitarina ny faritra.

12Amin’izany andro izany koa dia hanatona anao ny olona

Avy any Asyria sy avy any amin’ny tanànan’i Egypta,

Eny, hatrany Egypta ka hatramin’ny Ony,

Ary hatramin’ny ranomasina ka hatramin’ny ranomasina,

Ary hatramin’ny tendrombohitra ka hatramin’ny tendrombohitra.

13Nefa ho lao ny tany noho ny amin’ny mponina eo aminy,

Dia noho ny vokatry ny asany.

14Ny tehinao no ento miandry ny olonao,

Dia ny ondry lovanao,

Izay monina mitokana, dia any an-ala ao an-tampon’i Karmela;

Aoka handrasana any Basana sy Gileada ireny

Toy ny tamin’ny andro taloha ela.

15Toy ny tamin’ny andro nivoahanao avy tany amin’ny tany Egypta

No hanehoako azy zava-mahagaga.

16Hahita izany ny jentilisa,

Ka hahamenatra azy ny heriny rehetra;

Hitampim-bava izy,

Ho tonga marenina ny sofiny.

17Hilelaka ny vovoka toy ny menarana izy;

Hiala amin-kovitra avy ao amin’ny fiarovany mafy tahaka ny biby mikisaka amin’ny tany izy;

Jehovah Andriamanitsika dia hohatoniny amin-kovitra,

Eny, hatahotra Anao izy.

18Iza no Andriamanitra tahaka Anao,

Izay mamela heloka

Sady mandalo ny fahadisoan’ny sisa amin’ny lovany?

Tsy mitana ny fahatezerany ho mandrakizay Izy,

Fa tia famindrampo.

19Hamindra fo amintsika indray Izy

Ka hanitsakitsaka ny fahotantsika,–

Eny, harianao ho any amin’ny ranomasina lalina ny fahotany rehetra.

20Hanefa fahamarinana ho an’i Jakoba Hianao

Sy famindrampo ho an’i Abrahama,

Dia ilay nianiananao tamin’ny razanay hatramin’ny andro taloha ela.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help