1Salamo nataon’i Davida.
JEHOVAH ô, iza no hitoetra ao amin’ny tabernakelinao?
Iza no honina ao an-tendrombohitrao masina?
2Izay mandeha tsy misy tsiny ary manao izay mahitsy,
Sady misaintsaina ny marina ny fony,
3Tsy manendrikendrika amin’ny lelany,
Sady tsy manisy ratsy ny sakaizany,
Ary tsy manao izay hahafa-baraka ny namany,
4Tsy manaja ny ratsy fanahy,
Fa manome voninahitra ny matahotra an’i Jehovah,
Tsy mivadika amin’ny fianianany, na dia maningotra ny tenany aza,
5Sady tsy mampihana ny volany,
Na mandray kolikoly hanameloka ny marina,–
Izay mitandrina izany dia tsy mba hangozohozo mandrakizay.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.