1Izay tia fananarana no tia fahalalana;
Fa izay mandà anatra dia biby.
2Ny tsara fanahy mahazo sitraka amin’i Jehovah;
Fa ny mamoron-tsain-dratsy hohelohiny.
3Tsy maha-tafatoetra ny olona ny haratsiana;
Fa ny fàkan’ny marina tsy mba hihetsika.
4Ny vehivavy tsara dia satroboninahitry ny lahy;
Fa ny vehivavy manao izay mahamenatra kosa dia tahaka ny lo ao anatin’ny taolana.
5Rariny ny hevitry ny marina;
Fa fitaka ny fisainan’ny ratsy fanahy.
6Ny tenin’ny ratsy fanahy dia otrika ho enti-mandatsa-dra;
Fa ny vavan’ny marina hamonjy azy.
7Haringana ny ratsy fanahy ka tsy ho ao intsony;
Fa ny mpianakavin’ny marina haharitra.
8Araka ny fahendren’ny olona no hiderana azy;
Fa izay meloka am-po dia hatao tsinontsinona.
9Aleo ambany toetra, nefa manana mpanompo iray,
Toy izay mihambo ho be voninahitra, nefa tsy manan-kohanina akory.
10Ny marina mitsimbina ny ain’ny bibiny;
Fa fahasiahana kosa no famindrampon’ny ratsy fanahy.
11Izay miasa ny taniny dia ho voky hanina;
Fa izay manaraka ny olom-poana dia tsy ampy saina.
12Ny mpanota maniry ny hazan’ ny ratsy fanahy;
Fa ny fàkan’ny marina mitrebona.
13Amin’ny fahotan’ny molotra dia misy fandrika ahitan-doza;
Fa ny marina ho afaka amin’ny fahoriana.
14Ny vokatry ny vavan’ny olona no mahavoky soa azy,
Ary ny asan’ny tànany hitsingerina aminy.
15Ny làlan’ny adala dia mahitsy eo imasony;
Fa izay mino anatra no hendry.
16Ny fahasosoran’ny adala dia fantatra miaraka amin’izay;
Fa izay mahatsindry fo amin’ny fanalam-baraka no hendry.
17Izay olona mahatoky dia manambara ny rariny;
Fa ny vavolombelona mandainga kosa miteny fitaka.
18Misy mandefalefa teny tsy tsaroana ka tonga toy ny fanindron’ny sabatra;
Fa ny lelan’ny marina dia fanasitranana kosa.
19Ny molotra marina ampitoerina ho mandrakizay;
Fa ny lela mandainga dia indray mipì-maso monja.
20Fitaka no ao am-pon’izay mamoron-tsain-dratsy;
Fa hafaliana no amin’izay misaina fiadanana.
21Tsy misy ratsy manjo ny marina;
Fa heni-doza ny ratsy fanahy.
22Fahavetavetana eo imason’i Jehovah ny molotra mandainga;
Fa izay olona mahatoky no ankasitrahany.
23Ny olon-kendry tsy mba mampideradera fahalalana foana;
Fa ny fon’ny adala mamoaka fahadalana.
24Ny tànan’ny mazoto no hanapaka;
Fa izay miraviravy tànana dia hampanompoina.
25Ny alahelo ao am-pon’ny olona dia mampitanondrika azy;
Fa ny teny soa no mahafaly azy.
26Ny marina dia mitari-dàlana ny namany;
Fa ny alehan’ny ratsy fanahy kosa no mampivily azy.
27Ny kamo tsy mety mihaza;
Fa fananana soa ho an’ny olona ny zoto.
28Amin’ny làlan’ny fahamarinana no misy fiainana,
Ary ny tsi-fahafatesana no làlan-kalehany.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.