Isaia 2 - Malagasy Protestant Bible

Ny voninahitra marina voatendry ho an’ny Isiraely, sy ny hanafoanana ny voninahiny tsy izy.

1NY teny izay hitan’Isaia, zanak’i Amoza, ny amin’ny Joda sy Jerosalema.

2Ary izao no ho tonga any am-parany:

Ny tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah dia haorina eo an-tampon’ny tendrombohitra

Ary hasandratra ho avo noho ny havoana;

Ary ny jentilisa rehetra hitanjozotra hankany.

3Eny, maro ny firenena no hiainga ka hanao hoe:

Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’i Jehovah,

Ho any an-tranon’Andriamanitr’i Jakoba,

Mba hampianarany antsika ny amin’ny làlany,

Ka handehanantsika amin’ny atorony;

Fa avy any Ziona no hivoahan’ny lalàna,

Ary avy any Jerosalema ny tenin’i Jehovah.

4Ary hitsara ny adin’ny jentilisa Izy

Ka hampiaiky firenena maro;

Dia hanefy ny sabany ho fangady ireny,

Ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka;

Ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely

Na hianatra ady intsony.

5Ry taranak’i Jakoba,

Avia, ary aoka isika handeha amin’ny fahazavan’i Jehovah.

6Fa efa nanary ny taranak’i Jakoba olonao Hianao,

Satria feno ny fanao avy any atsinanana izy

Ary efa mpanandro tahaka ny Filistina

Sady efa be zana-bahiny.

7Ary ny taniny dia feno volafotsy sy volamena,

Sady tsy hita lany ny hareny;

Ary ny taniny dia feno soavaly,

Sady tsy hita isa ny kalesiny;

8Ny taniny dia feno andriamani-tsi-izy koa;

Eo anatrehan’ny asan’ny tànany no iankohofany,

Dia izay nataon’ny rantsan-tanany;

9Koa ny zanak’olombelona hatao mitanondrika,

Ary ny olona haetry,–

Ary aza mamela ny helony Hianao!

10Midira ao amin’ny vatolampy,

Ary miere ao amin’ny vovoka

Noho ny tahotra avy amin’i Jehovah

Sy ny voninahitry ny fahalehibiazany.

11Ny fiandranandran’ny mason’ny zanak’olombelona dia haetry,

Ary ny fiavonavonan’ny olona hatao mitanondrika;

Fa Jehovah ihany no hisandratra amin’izany andro izany.

12Fa misy andron’i Jehovah, Tompon’ny maro,

Hitsarana izay avo sy ambony toetra rehetra

Ary izay misandratra rehetra,

Ka dia haetry ireny,–

13Dia ny sedera rehetra any Libanona, izay avy sady andrandraina,

Sy ny hazo ôka rehetra any Basana

14Sy ny tendrombohitra avo rehetra

Sy ny havoana andrandraina

15Sy ny tilikambo miringiringy rehetra

Sy ny mànda mafy rehetra

16Sy ny sambon’i Tarsisy rehetra

Sy ny tao-zavatra tsara tarehy rehetra;

17Ary ny fireharehan’ny zanak’olombelona hatao mitanondrika,

Ary ny fiavonavonan’ny olona haetry;

Fa Jehovah ihany no hisandratra amin’izany andro izany.

18Ary ny andriamani-tsi-izy dia ho foana avokoa.

19Ary hiditra ao amin’ny zohy sy ny lava-bato ny olona

Noho ny tahotra avy amin’i Jeyovah

Sy ny voninahitry ny fahalehibiazany,

Rehefa mitsangana hampihorohoro ny tany Izy.

20Amin’izany andro izany dia harian’ny olona

Ho an’ny voalavo sy ny manavy

Ny andriamani-bolafotsiny sy ny andriamani-bolamenany–

Izay nataony hiankohofany eo anatrehany–

21Mba hidirany eo amin’ny fitriatry ny vatolampy

Sy eo an-tsefatsefaky ny harambato

Noho ny tahotra avy amin’i Jehovah

Sy ny voninahitry ny fahalehibiazany,

Rehefa mitsangana hampihorohoro ny tany Izy.

22Mitsahara, fa aza mitoky amin’ny olona;

Fa fofonaina foana no eo am-bavorony,

Ka hatao zinona izy?

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help