Isaia 15 - Malagasy Protestant Bible

Faminaniana ny amin’ny loza hanjo an’ Moaba.

1FAMINANIANA ny amin’ny loza hanjo an’i Moaba.

Fa tamin’ny indray alina no nandravana an’i Ara-moaba, ka fongotra izy;

Fa tamin’ny indray alina no nandravana an’i Kira-moaba, ka fongotra izy;

2Miakatra ho ao amin’ny tempoly sy ho ao Dibona ny olona,

Dia ao amin’ny fitoerana avo, mba hitomany;

Any Nebo sy Medeba no idradradradran’i Moaba;

Mibory ny loha rehetra;

Voaharatra ny somotra rehetra.

3Eny an-dàlambe dia misikina lamba fisaonana izy;

Eny an-tampon-tranony sy eny an-kalalahana dia midradradradra avokoa izy,

Eny, mijohy ny ranomasony.

4Ary mitaraina Hesbona sy Elale,

Ka re hatrany Jahaza ny feony,

Ary noho izany dia miantso mafy ny miaramilan’ i Moaba,

Mangovitra ny fanahiny ao anatiny.

5Ny foko mitaraina noho ny amin’i Moaba;

Ny mandositra avy ao dia tonga hatrany Zoara sy Egleta-selisia;

Fa miakatra mitomany ao amin’ny fiakarana Lohita izy

Sy midradradradra amin’ny famoizam-po eny an-dàlana mankany Horonaima.

6Fa Nimrima tsara rano dia tonga karankaina;

Maina ny ahitra, malazo ny zava-maniry,

Ka tsy misy zava-maitso intsony.

7Ary amin’izany ny harena be izay noharìny sy ny entany izay mbola voatahiriny

Dia entiny ho any am-pitan’ny lohasahan-driaky ny hazomalahelo.

8Fa ny fitarainany manodidina ny sisin’i Moaba,

Re hatrany Eglaima ny fidradradradrany,

Eny, re hatrany Ber-elima ny fidradradradrany.

9Fa ny ranon’i Dimona dia feno ra;

Fa mbola hampiako ny loza manjo an’i Dimona,

Dia liona handrapaka izay efa mandositra avy any Moaba,

Sy handany izay sisa amin’ny tany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help