Amosa 8 - Malagasy Protestant Bible

Ny fahitana nentin’Andriamanitra nilaza tamin’i Amosa ny fahantomotry ny loza hanjo ny Isiraely.

1IZAO no nasehon’i Jehovah Tompo tamiko: Indro, nisy harona feno voankazo masaka fahavaratra.

2Ary hoy Izy: Inona no hitanao, ry Amosa? Dia hoy izaho: Harona feno voankazo masaka fahavaratra. Dia hoy Jehovah tamiko:

Tonga amin’ny Isiraely oloko ny farany;

Tsy handefitra aminy intsony Aho.

3Ho tonga naonaona ny hira ao an-dapa amin’izany andro izany, hoy Jehovah Tompo;

Ho be ny faty,

Hatraiza hatraiza no hanariany azy.

Mangìna re!

4Mihainoa izao, hianareo izay mihanahana te-hitelina ny malahelo

Sy te-hahafongana ny mpandefitra amin’ny tany

5Ka manao hoe: Rahoviana no ho tapitra ny voaloham-bolana, hivarotantsika vary,

Sy ny Sabata, hanokafantsika ny lava-bary,

Ka hanakelezana ny efaha sy hanalehibiazana ny sekely,

Ary hanaovana mizana mandainga,

6Mba hovidintsika volafotsy ny mahantra

Sy kiraro iray lomisy ny malahelo,

Ary hivarotantsika ny loha-kororoky ny vary?

7Jehovah nianiana tamin’ny Reharehan’i Jakoba ka nanao hoe:

Tsy hisy hohadinoiko mandrakizay ny asany na dia iray akory aza!

8Tsy hihorohoro noho izany va ny tany,

Sy hitomany ny mponina rehetra ao aminy?

Eny, ny tany rehetra hihatondraka tahaka an’i Neily

Sy hihena indray toy ny Neilin’i Egypta.

9Ary amin’izany andro izany, hoy Jehovah Tompo,

Dia halentiko mitataovovonana ny masoandro,

Ary hohamaiziniko antoandro-benanahary ny tany;

10Hampodiko ho fitomaniana ny andro firavoravoanareo

Ary ho hira fahalahelovana ny hiranareo rehetra,

Hofeheziko lamba fisaonana ny valahana rehetra,

Sady hokakasako ny loha rehetra;

Ary hataoko ho toy ny fisaonana zanakalahy tokana izany,

Ka ny farany dia ho tahaka ny andro mangidy.

11Indro, avy ny andro, hoy Jehovah Tompo,

Izay hanaterako mosary amin’ny tany,

Tsy fanirian-kanina anefa, na hetahetan-drano,

Fa faniriana handre ny tenin’i Jehovah;

12Ary hivembena hatrany amin’ny ranomasina ka hatrany amin’ny ranomasina ny olona

Ary hatrany amin’ny avaratra ka hatrany amin’ny atsinanana,–

Eny, hivezivezy hitady ny tenin’i Jehovah izy,

Nefa tsy hahita.

13Amin’izany andro izany dia ho jemby noho ny hetaheta

Ny virijina tsara tarehy sy ny zatovo-lahy,

14Dia ireo izay mianiana amin’ny fahotan’i Samaria,

Ka manao hoe: Raha velona koa ny andriamanitrao, ry Dana,

Ary raha velona koa ny fanaon’i Beri-sheba;

Eny, ho lavo izy ka tsy hiarina intsony.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help