Salamo 110 - Malagasy Protestant Bible

Ny haherezan’ny Mpanjakan’i Ziona, Izay sady Mpanjaka no Mpisorona.

1Salamo nataon’i Davida.

IZAO no lazain’i Jehovah amin’ny Tompoko:

Mipetraha eo an-tànako ankavanana

Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.

2Ny tehin’ny herinao

Havoak’i Jehovah avy ao Ziona;

Manapaha eo amin’ny fahavalonao, Hianao.

3Ny olonao dia mazoto manolo-tena amin’ny andro anafihanao;

Amin’ny fihaingoana masina, tahaka ny ando ateraky ny maraina ho Anao ny zatovonao.

4Efa nianiana Jehovah ka tsy hanenina: Hianao no Mpisorona mandrakizay

Araka ny fanaon’i Melkizedeka.

5Ny Tompo eo an-kavananao

Dia handripaka ny mpanjaka maro amin’ny andron’ny fahatezerany.

6Hitsara any amin’ny jentilisa Izy

Ka hampiampatrampatra faty any;

Handripaka loholona any amin’ny tany malalaka Izy.

7Hisotro amin’ny ony any an-dàlana Izy,

Ka izany no hitrahan’ny lohany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help