Rota 3 - Malagasy Protestant Bible

Ny nangatahan’i Rota an’i Boaza hitondra loloha azy araka ny hevitra natoron’i Naomy.

1DIA hoy Naomy rafozani-vavy taminy: Tsy hitady izay tokan-trano hahitanao fiadanana va aho, anaka, mba hahasoa anao?

2Ary ankehitriny, tsy isan’ny havantsika va Boaza, tompon’ny ankizivavy izay niarahanao? Indro, mikororoka vary hordea eo am-pamoloana izy anio alina.

3Koa mandroa sy mihosora diloilo ary miakanjoa, dia midìna any am-pamoloana; nefa aza atao fanta-dralehilahy akory hianao, raha tsy efa avy nihinana sy nisotro izy.

4Ary rehefa mandry izy, dia fantaro izay andriany, ary midira, ka songay ny lamba eo an-tongony, dia mandria eo hianao; ary holazainy aminao izay hataonao.

5Dia hoy izy taminy: Eny, fa hataoko izay rehetra lazainao amiko.

6Dia nidina tany am-pamoloana izy ka nanao araka izay rehetra nandidian’ny rafozani-vavy azy.

7Ary rehefa avy nihinana sy nisotro Boaza, ka faly ny fony, dia nandeha handry teo amin’ny faran’ny antontam-bary izy; fa nandeha nitsaitsaika kosa Rota, dia nanonga ny lamba teo an-tongony ka nandry teo.

8Ary nony namatonalina, dia taitra ralehilahy ka niarina hitsapa, ary, indro, nisy vehivavy nandry teo an-tongony.

9Dia hoy izy: Iza moa izato? Ary hoy kosa ravehivavy: Rota zatovovavinao aho; mba rakofy ny lambanao ny zatovovavinao, fa havana mahavotra hianao.

10Dia hoy izy: Hotahin’i Jehvoah anie hianao, anaka; efa nanao soa be lavitra tamin’ny ato aoriana hianao noho ny tamin’ny voalohany, noho ny tsy nanarahanao ny zatovo, na ny malahelo, na ny manan-karena.

11Koa ankehitriny, anaka, aza matahotra; hataoko aminao izay rehetra angatahinao; fa fantatr’izay rehetra ao an-tanànan’ny fireneko fa vehivavy tsara hianao.

12Ary ankehitriny marina izany, fa havana mahavotra aho; nefa misy havana mahavotra akaiky kokoa noho izaho.

13Mitoera ihany atỳ anio alina, ary rehefa maraina, raha hitondra loloha anao izy, dia tsara izany, aoka izy no hitondra loloha anao; fa raha tàhiny kosa tsy hanao izany izy, dia ho entiko loloha ihany hianao, raha velona koa Jehovah, mitoera ihany atỳ mandra-pahamarain’ny andro.

14Dia nandry teo an-tongony mandra-pahamarain’ny andro Rota, ary nifoha, raha mbola maizimaizina, ilay mbola tsy ahitana tarehy iny. Fa hoy ralehilahy: Aza avela ho fantatr’olona fa tatỳ am-pamoloana ravehivavy.

15Dia hoy koa izy: Ento etỳ ny lamba itafianao, ka hazony izy. Ary rehefa nataony izany, dia namatra vary hordea inenin’ny famarana Boaza, ka nampitondrainy azy izany.

Dia lasa nankany an-tanàna Boaza.

16Ary rehefa tonga tany amin’ny rafozani-vavy Rota, dia hoy Naomy: Nanao ahoana izay tany, anaka? Dia nambarany azy izay rehetra nataon-dralehilahy taminy.

17Ary hoy koa izy: Ireto vary hordea inenin’ny famarana ireto dia nomeny ahy; fa hoy izy tamiko: Aza mandeha tsy mitondra zavatra ho any amin’ny rafozanao-vavy.

18Dia hoy izy: Mitoera ihany, anaka, mandra-pahafantatrao izay hiantefan’ny raharaha; fa tsy hijanona ralehilahy, fa hovitainy anio ihany ny raharaha.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help