Hosea 12 - Malagasy Protestant Bible

Fananarana ny Isiraely noho ny helony.

1EFRAIMA manodidina Ahy amin’ny lainga,

Ary ny taranak’Isiraely amin’ny fitaka;

Ary Joda mbola mikarenjy tsy manatona an’Andriamanitra,

Dia ny Iray Masina sy Mahatoky.

2Efraima homan-drivotra sady manenjika ny rivotra avy any atsinanana,

Mandritra ny andro dia ataony betsaka ny lainga sy ny fandozana;

Manao fanekena amin’ny Asyriana izy,

Ary diloilo no entina ho any Egypta.

3Manana ady amin’i Joda koa Jehovah

Ary tsy maintsy mamaly an’i Jakoba araka ny alehany,

Ka hatsingeriny aminy ny nataony.

4Fony mbola tany am-bohoka

Dia nihazona ny ombelahin-tongotry ny rahalahiny izy,

Ary rehefa lehibe izy, dia nitolona tamin’Andriamanitra;

5Eny, nitolona tamin’Ilay Anjely izy ka nahery;

Nitomany izy sady nifona taminy;

Nahita azy tao Betela Izy, ary tao no niresahany tamintsika;

6Jehovah, Andriamanitry ny maro,–

Jehovah no hahatsiarovana Azy.

7Koa miverena amin’Andriamanitrao hianao;

Tandremo ny famindrampo sy ny rariny.

Ary miandrasa an’Andriamanitrao mandrakariva.

8Kanana–eny an-tànany misy mizana miangatra,

Ny manambaka no tiany.

9Fa hoy Efraima: Fiharian-karena ihany no efa nataoko,

Nahazo fananana aho;

Ny asako rehetra tsy misy hahatonga fahotana na heloka amiko.

10Nefa Izaho no Jehovah Andriamanitrao

Hatrany amin’ny tany Egypta;

Ary mbola hampitoetra anao an-day indray Aho

Tahaka ny tamin’ny fotoam-pivavahana.

11Efa niteny tamin’ny mpaminany koa Aho,

Sady Izaho no nahabetsaka ny fahitana,

Ary ny mpaminany dia nampilazaiko ohatra.

12Raha tena heloka Gileada,

Dia ho tonga zava-poana tokoa izy;

Tany Gilgala no namonoany omby betsaka ho fanatitra,

Koa ny alitarany dia ho toy ny korontam-bato eny am-bavasa any an-tsaha.

13Jakoba nandositra ho any amin’ny tany Syria,

Isiraely nanompo hahazoany vady,

Eny, ny hahazoany vady no niandrasany ondry aman-osy.

14Mpaminany no nentin’i Jehovah nitondra ny Isiraely nivoaka avy tany Egypta,

Ary mpaminany koa no nentina niahy azy.

15Nanao izay nahatezitra indrindra Efraima,

Ka dia havelan’ny Tompony ho eo aminy ny rany,

Ary hatsingeriny aminy ny vava ratsy nataony.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help