Mika 6 - Malagasy Protestant Bible

Teny fampibebahana ny Isiraely.

1MASÌNA hianareo, mihainoa izay lazain’i Jehovah:

Mitsangàna, mandahara eo anoloan’ny tendrombohitra,

Ary aoka ho ren’ny havoana ny feonao.

2Mihainoa ny adin’i Jehovah hianareo, ry tendrombohitra,

Sy hianareo, ry fanorena-matezan’ny tany;

Fa Jehovah manana ady amin’ny olony,

Eny, amin’ny Isiraely no ifandaharany.

3Ry oloko, inona no nataoko taminao?

Inona no nanasarako anao?

Tondroy maso ary Aho.

4Fa nentiko niakatra avy tany amin’ny tany Egypta hianao

Sady navotako avy tao amin’ny trano nahandevozana:

Dia nirahiko hitarika anao Mosesy sy Arona ary Miriama.

5Ry oloko, mba tsarovy ny saina nataon’i Balaka, mpanjakan’i Moaba,

Sy izay navalin’i Balama, zanak’i Beora, azy,

Ary izay natao hatrany Sitima ka hatrany Gilgala,

Hahafantaranareo ny asa marina nataon’i Jehovah.

6Inona no ho entiko manatona an’i Jehovah

Sy miondrika eo anatrehan’Andriamanitra Izay any amin’ny avo?

Hanatona Azy mitondra fanatitra dorana

Sy ny ombilahy kely iray taona va aho?

7Ho sitrak’i Jehovah va ny ondrilahy arivoarivo,

Na renirano diloilo iray alina?

Hanolotra ny lahimatoako noho ny fahadisoako va aho,

Na ny ateraky ny kiboko noho ny fahotan’ny fanahiko?

8Ry olombelona, efa naseho anao izay tsara

Sy izay ilain’i Jehovah aminao,

Dia izao ihany: Ny hanao ny marina sy ny ho tia famindrampo

Ary ny hanaraka an’Andriamanitrao amin’ny fanetren-tena.

9Manaitra ny tanàna ny feon’i Jehovah,

Ary mahita ny anaranao ny hendry;

Henoinareo ny tsorakazo sy Izay nanendry azy.

10Mbola misy rakitry ny faharatsiana ihany va ao an-tranon’ny ratsy fanahy

Sy ny famarana tsy ampy izay voaozona?

11Mety madio va aho, raha manana mizana mandainga

Sy kitapo misy vato tsy marina?

12Fa feno loza ny mpanan-karenany,

Mandainga ny mponina ao aminy,

Ary ny lelany dia fitaka eo am-bavany.

13Izaho kosa dia hikapoka maharary anao

Amin’ny fandringanako anao noho ny helokao.

14Hianao hihinana, nefa tsy ho voky,

Fa mbola ho ao anatinao ihany ny fahanoananao;

Hampirina hianao, nefa tsy hahavonjy,

Ary izay voavonjinao aza dia hatolotro ho amin’ny sabatra.

15Hianao hamafy, nefa tsy hijinja;

Hianao hanosihosy oliva, nefa tsy hihosotra diloilo,

Ary hanosihosy ranom-boaloboka, nefa tsy hisotro divay;

16Fa fatra-pitandrina ny lalàn’i Omry

Sy ny asan’ny taranak’i Ahaba rehetra hianareo

Sady manaraka ny fisainany,–

Mba hanolorako anao ho figagana,

Ary ny mponina any ho zavatra mampisitrisitra,

Ka dia hitondra ny latsan’ny oloko hianareo.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help