Ohabolana 23 - Malagasy Protestant Bible

1Raha mipetraka hiara-komana amin’ny mpanapaka hianao,

Dia hevero tsara izay eo anatrehanao,

2Ka andraso antsy ny tendanao,

Raha dia liana loatra hianao.

3Aza mitsiriritra ny hanim-piny,

Fa hani-mamitaka izany.

4Aza manasa-tena hanan-karena,

Aza entina amin’izany ny fahendrenao.

5Moa hampanarahinao azy va ny masonao, nefa tsy ao intsony izy?

Fa maniry elatra tokoa izy

Ka manidina toy ny voromahery ho eny amin’ny lanitra.

6Aza homana ny mofon’izay ratsy fijery,

Ary aza mitsiriritra ny hanim-piny;

7Fa tahaka ny heviny ao am-pony ihany no toetrany:

Hoy izy aminao: Mihinàna, misotroa;

Kanjo tsy sitrany hianao.

8Izay sombiny kely voatelinao aza dia mbola haloanao,

Ka ho very foana ny teny mahafinaritra nataonao.

9Aza miteny amin’ ny adala;

Fa hohamavoiny foana ny fahendren’ny teninao.

10Aza manakisaka ny fari-tany ela,

Ary aza manitatra mankamin’ ny sahan’ny kamboty;

11Fa mahery ny Mpanavotra azy,

Izy no hisolo vava azy amin’ny adiny aminao.

12Ampiekeo famaizana ny fonao,

Sy tenim-pahalalana ny sofinao.

13Aza tsy manafay zanaka,

Fa tsy dia ho faty izy tsy akory na dia asianao ny hazo aza;

14Raha mamely azy amin’ny hazo hianao,

Dia ho voavonjinao tsy ho any amin’ny fiainan-tsi-hita ny fanahiny.

15Anaka, raha hendry ny fonao,

Dia ho faly koa ny foko, dia ny foko;

16Eny, ho ravoravo ny fanahiko,

Raha miteny marina ny molotrao.

17Aoka tsy hialona ny mpanota ny fonao;

Fa matahora an’i Jehovah mandritra ny andro;

18Fa raha mbola hisy koa ny farany,

Dia tsy ho foana ny fanantenanao.

19Mihainoa hianao, anaka, ka hendre,

Ary ampizory amin’ny làlana ny fonao.

20Aza misakaiza amin’izay mpiboboka divay

Sy izay fatra-pitia hena;

21Fa halahelo izay mpiboboka sy izay fatra-pitia hena;

Ary ny fitiavan-torimaso mampitafy voro-damba.

22Maneke ny rainao izay niteraka anao.

Ary aza manamavo ny reninao, saingy efa antitra izy.

23Vidio ny marina, ka aza amidy,

Dia ny fahendrena sy ny fananarana ary ny fahazavan-tsaina.

24Hifaly dia hifaly ny rain’ny marina,

Ary izay miteraka zaza hendry hanam-pifaliana aminy.

25Aoka ho faly ny rainao sy ny reninao,

Eny, aoka ho ravoravo ny reninao izay niteraka anao.

26Anaka, atolory ahy ny fonao,

Ary aoka ny masonao ho faly mijery ny làlako;

27Fa ny vehivavy jejo dia hady lalina,

Ary ny vahiny janga lavaka ety;

28Eny, manotrika toy ny jiolahy ireny

Ary mahamaro ny olona mpivadika.

29An’iza ny Indrisy? An’iza ny Endrey?

An’iza ny fifandirana? An’iza ny fitolokoana?

An’iza ny ratra tsy ahoan-tsy ahoana?

An’iza ny maso mivoara-mena?

30An’izay mikikitra amin’ny divay,

Eny, an’izay mandeha hanandrana divay voaharoharo zavatra.

31Aza mijery ny divay noho ny hamenany

Sy ny fanganohanony eo anaty gilasy

Ary ny fikoriany mahafinaritra;

32Fa amin’ny farany dia hanaikitra toy ny bibilava izy

Ary hanindrona toy ny menarana.

33Koa ny masonao dia hijery vehivavy jejo,

Ary ny fonao hieritreri-dratsy.

34Eny, ho sahala amin’izay mandry ao amin’ny ranomasina hianao

Sady ho tahaka izay mandry eo an-tendron’ny andrin-tsambo.

35Nokapohiny aho, hoy hianao, fa tsy reko naharary ahy,

Nandalasiny aho, fa tsy tsaroako;

Rahoviana ange aho no hifoha mba hitadiavako azy indray?

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help