1Ho an’ny mpiventy hira. Tonon-kira. Salamo.
MIHOBIA ho an’Andriamanitra, ry tany rehetra;
2Mankalazà ny voninahitry ny anarany;
Omeo voninahitra Izy ho fiderana Azy.
3Lazao amin’Andriamanitra hoe: Endrey, mahatahotra ny asanao!
Ny fahalehibiazan’ny herinao no hikoizan’ny fahavalonao Anao.
4Ny tany rehetra hiankohoka eo anatrehanao ka hankalaza Anao;
Eny, hankalaza ny anaranao izy.
[Sela.]
5Avia, ka jereo ny asan’Andriamanitra,
Mahatahotra ny zavatra ataony amin’ny zanak’olombelona.
6Efa nampody ny ranomasina ho tany maina Izy;
Nandeha an-tongotra nita ny ony ny olona;
Tao no nifaliantsika tamin’Andriamanitra.
7Manjaka mandrakizay amin’ny heriny Izy,
Ary ny masony mandinika ny firenen-tsamy hafa;
Aoka tsy hanandra-tena ny maditra.
[Sela.]
8Misaora an’Andriamanitsika, ry firenena;
Ary asandrato ny feo fiderana Azy,
9Izay mampitoetra ny fanahintsika amin’ny fiainana
Ka tsy mamela ny tongotsika hangozohozo.
10Fa efa nizaha toetra anay Hianao, Andriamanitra ô;
Efa nanadio anay Hianao, tahaka ny fanadio volafotsy amin’ny memy.
11Efa nampiditra anay tamin’ny fandrika Hianao;
Efa nanisy enta-mavesatra teo am-balahanay Hianao.
12Efa nampandeha ny olona hanitsaka ny lohanay Hianao;
Nandeha namaky ny afo sy ny rano izahay;
Fa nitondra anay nivoaka ho amin’ny fitahiana mahatretrika Hianao.
13Hiditra ao an-tranonao mitondra fanatitra dorana aho;
Hefaiko aminao ny voadiko,
14Izay notononin’ny molotro
Sy naloaky ny vavako, fony aho azom-pahoriana.
15Hateriko aminao ho fanatitra dorana ny matavy
Mbamin’ny setroky ny ondrilahy;
Hanatitra omby sy osilahy aho.
[Sela.]
16Avia, mihainoa hianareo rehetra izay matahotra an’Andriamanitra,
Fa holazaiko izay nataony ho an’ny fanahiko.
17Izy no nantsoin’ny vavako;
Ary ny fanandratana Azy no teo ambanin’ny lelako.
18Raha nankasitraka ota tao am-poko aho,
Dia tsy mba hihaino ny Tompo;
19Kanefa efa nihaino tokoa Andriamanitra;
Efa nihaino ny feon’ny fivavako Izy.
20Isaorana anie Andriamanitra,
Izay tsy nandà ny fivavako,
Na nanaisotra ny famindrampony tamiko.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.