Ezekiela 9 - Malagasy Protestant Bible

Ny amin’ireo lehilahy nirahina hamely an’i Jerosalema.

1ARY niantso tamin’ny feo mahery teo anatrehako Jehovah ka nanao hoe: Manakeke hianareo, ry mpiambina ny tanàna, ka samia mitondra ny fiadiany eny an-tànany avy ho enti-mandringana.

2Ary, indreo, nisy lehilahy enina avy tamin’ny làlana mankamin’ny vavahady ambony, izay manatrika ny avaratra, sady samy nitondra ny fiasany fanorotoroana teny an-tànany avy izy; ary ny anankiray tamin’ireo dia nitafy rongony fotsy, sady nisy fitoeran-dranomaintin’ny mpanoratra teo am-balahany; ary niditra izy ireo ka nitsangana teo anilan’ny alitara varahina.

3Ary ny voninahitr’Andriamanitry ny Isiraely efa niakatra niala teo amin’ny kerobima, izay nitoerany, ho eo amin’ny tokonam-baravaran’ny trano, ary Izy niantso ilay olona nitafy rongony, fotsy izay nisy fitoeran-dranomaintin’ny mpanoratra teo am-balahany.

4Ary hoy Jehovah taminy: Mandehana mamaky ny tanàna, dia Jerosalema, ka asio marika ny handrin’ny olona izay misento sy mitaraina noho ny fahavetavetana rehetra atao eo aminy.

5Ary reko Izy nanao tamin’ny sasany hoe: Mandehana manaraka azy hianareo hamaky ny tanàna, ka mameleza; aoka tsy hamindra fo aminy ny masonareo, ary aza ananana antra izy,

6Fa na lahy antitra, na zatovo, na virijina, na zaza madinika, na vehivavy, dia aringano avokoa; fa izay olona misy ilay marika ihany no aza kasihina; ary atombohy hatreo amin’ny fitoerako masina izany. Dia nanomboka tamin’ny lahy antitra izay teo anoloan’ny trano ireo.

7Ary hoy Izy taminy: Lotoy ny trano, ary fenoy faty ny kianja; dia mivoaha hianareo. Ary dia nivoaka izy ka namely ny tao an-tanàna.

8Ary raha mbola namely izy, ary izaho ihany no sisa teo, dia niankohoka aho ka nitaraina hoe: Indrisy! Jehovah Tompo ô! haringanao va ny sisa rehetra amin’ny Isiraely amin’izao ampidinanao ny fahatezeranao amin’i Jerosalema izao?

9Dia hoy Izy tamiko: Lehibe dia lehibe ny heloky ny taranak’ny Isiraely sy ny Joda, ary feno ran’olona nalatsaka ny tany, sady feno fitsarana miangatra ny tanàna, satria hoy izy: Jehovah efa nahafoy ny tany, ary Jehovah tsy mahita.

10Ary Izaho kosa, dia tsy hiantra ny masoko, sady tsy hamindra fo Aho, fa hatsingeriko ho eo an-dohany ny nataony.

11Ary, indro, ralehilahy, ilay nitafy rongony fotsy sady nisy fitoeran-dranomainty teo am-balahany, dia nitondra teny niverina nanao hoe: Efa vitako izay nandidianao ahy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help