Ohabolana 21 - Malagasy Protestant Bible

1Rano velona eo an-tànan’i Jehovah ny fon’ny mpanjaka,

Ka tarihiny amin’izay tiany.

2Ataon’ny olona ho marina avokoa ny làlana rehetra alehany;

Fa Jehovah ihany no Mpandanja ny fo.

3Ny hanao izay marina sy mahitsy

No sitrak’i Jehovah mihoatra noho ny fanatitra alatsa-dra.

4Ny fiandranandran’ny maso sy ny fiavonavon’ny fo–

Izay jiron’ ny ratsy fanahy–dia ota.

5Ny hevitry ny mazoto dia mampanan-karena;

Fa ny maimaika rehetra dia halahelo ihany.

6Ny fahazoan-karena amin’ny lela mandainga

Dia fofonaina mihelina ho an’izay mitady fahafatesana.

7Ny fitohatohan’ny ratsy fanahy hamongotra azy,

Satria mandà tsy hanao izay marina izy.

8Miolikolika ny làlan’ny mavesa-keloka;

Fa mahitsy ny ataon’ny madio.

9Aleo mitoetra eo an-joron’ny tampon-trano

Toy izay hiray trano amin’ny vehivavy tia ady.

10Ny fanahin’ny ratsy fanahy maniry ny ratsy,

Ka na dia ny havany aza tsy mahita fitia eo imasony.

11Raha ampijalina ny mpaniratsira, dia ho hendry ny kely saina;

Ary raha toroan-kevitra ny hendry, dia hahazo fahalalana izy.

12Ny Iray Marina no mandinika ny tranon’ny ratsy fanahy

Ka mamarina azy ho amin’ny loza.

13Izay manentsin-tadìny amin’ny fitarainan’ny malahelo,

Dia mba hitaraina kosa izy, fa tsy hohenoina.

14Ny fanomezana mangingina mampionona ny fahatezerana,

Ary ny kolikoly amin’ny takona mampitsahatra ny fahavinirana mafy.

15Fifalian’ny marina ny hanao araka ny rariny;

Fa zava-mahatahotra ny mpanao ratsy kosa izany.

16Ny olona izay mivily miala amin’ny làlan’ny fahendrena

Dia hitoetra ao amin’ny fivorian’ny fanahin’ny maty.

17Izay tia fanaranam-po dia olona halahelo,

Eny, izay tia divay sy diloilo tsy mba hanan-karena.

18Ny ratsy fanahy dia ho avotry ny marina,

Ary ny mpivadika ho solon’ny mahitsy.

19Aleo mitoetra any an-efitra

Toy izay amin’ny vehivavy tia ady sady foizina.

20Harena mahafinaritra sy diloilo no ao amin’ny tranon’ny hendry;

Fa ny adala mandany azy.

21Izay fatra-panaraka fahamarinana sy famindrampo

Dia hahazo fiainana sy fahamarinana ary voninahitra.

22Ny hendry mananika ny vohitry ny mahery

Ka mandrodana ny fiarovana mafy izay itokiany.

23Izay miambina ny vavany sy ny lelany

Dia miaro ny fanahiny tsy ho azom-pahoriana.

24Izay mirehareha sy miavonavona no atao hoe mpaniratsira,

Dia izay olona fatra-piavonavona.

25Ny fanirian’ny malaina hahafaty azy,

Satria ny tànany tsy mety miasa tsinona;

26Maniry fatratra mandritra ny andro izy;

Fa ny marina kosa manome ka tsy mba mahihitra.

27Ny fanatitry ny ratsy fanahy dia fahavetavetana,

Ka indrindra raha amin’ny sain-dratsy no itondrany azy.

28Ho faty ny vavolombelona mandainga;

Fa izay mihaino dia hiteny mandrakariva.

29Ny ratsy fanahy mampiseho ny fahasahisahiany amin’ny tarehiny;

Fa ny marina kosa dia mihevitra izay halehany.

30Tsy misy fahendrena, na fahalalana,

Na fisainana mahaleo an’i Jehovah.

31Voaomana ny soavaly ho amin’ny andro iadiana;

Fa an’i Jehovah ihany ny fandresena.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help