Isaia 57 - Malagasy Protestant Bible

1Maty ny marina, nefa tsy misy misaina izany,

Ary alaina ny olona tsara fanahy, nefa tsy misy mihevitra fa ny marina dia alaina tsy ho azon’ny loza hanjo.

2Miditra amin’ny fiadanana izy,

Mandry amin’ny fandriany avy izy,

Dia izay rehetra mizotra amin’ny hitsiny.

3Fa hianareo kosa dia mankanesa etỳ, ry zanaky ny mpanandro,

Hianareo taranaky ny mpaka vadin’olona sy ny mpijangajanga.

4Iza no ihomehezanareo?

Iza no isanasananareo vava sy itrangatranganareo lela?

Tsy taranaky ny fiodinana va hianareo

Sady taranaky ny lainga?

5Dia hianareo izay mahamaimay ny fonareo amin’ny hazo terebinta

Eny ambanin’ny hazo maitso rehetra,

Ka mamono zaza eny an-dohasahan-driaka

Eny ambanin’ny tsefatsefaky ny harambato.

6Ao amin’ny vato kilonjy any an-dohasahan-driaka no anjaranao,

Eny, ireny ihany no anjaranao;

Ireny koa no nanidinanao fanatitra aidina sy nanateranao fanatitra hohanina.

Hahatsindry fo amin’izany va Aho?

7Teo an-tampon’ny tendrombohitra avo sy manerinerina no nametrahanao ny fandrianao,

Ka tany no niakaranao hamono zavatra natao fanatitra.

8Teo ivohon’ny varavarana sy ny tolam-baravarana no nametrahanao ny fampahatsiarovana anao;

Fa lavitra Ahy no nitanjahanao sy niakaranao,

Eny, nataonao malalaka ny fandrianao, ary nanao fanekena ny amin’izay hataon’ireny hianao;

Tia ny fandriana aminy hianao ka nizaha toerana ho anao.

9Dia nivezivezy nankany amin’ny mpanjaka hianao nitondra diloilo,

Ary nataonao betsaka ny zava-manitrao,

Sady nampandehanina hatrany lavitra any ny irakao,

Ka nidina hatrany amin’ny fiainan-tsi-hita hianao.

10Noho ny halavitry ny nalehanao dia sasatra hianao,

Nefa hianao tsy niteny hoe: Kivy aho izany!

Nahazo aina ny tànanao,

Ka dia tsy nahatsiaro reraka hianao.

11Ary iza no nahìnao sy natahoranao,

No dia nandainga hianao

Ka tsy nahatsiaro Ahy na nandatsaka am-po?

Moa tsy efa nangina va Aho hatrizay hatrizay?

Ka dia tsy natahotra Ahy hianao.

12Izaho no hanambara ny fahamarinanao;

Ary ny asanao dia tsy hahasoa anao.

13Raha mitaraina hianao, dia aoka ireo maronao no hamonjy anao,

Nefa hongahan’ny rivotra avokoa ireo sy ho lasan’ny tso-drivotra malemilemy aza;

Fa izay mialoka amiko kosa no hanana ny tany

Sy handova ny tendrombohitro masina.

14Ary Izy hilaza hoe: Manandrata, eny, manandrata ka manamboara làlana,

Esory izay mahatafintohina eny amin’ny alehan’ny oloko.

15Fa izao no lazain’ny Iray avo sy manerinerina,

Izay monina mandrakizay, Masina no anarany:

Ao amin’ny fitoerana avo sy masina no onenako,

Ary ao amin’ny torotoro fo sy ny manetry tena,

Hamelombelona ny fanahin’ny manetry tena

Sy hamelombelona ny fon’ny torotoro fo;

16Fa tsy hifandahatra mandrakariva Aho

Ary tsy ho tezitra mandrakizay;

Fandrao ho reraka eo anatrehako ny fanahy,

Dia ny aina izay nataoko.

17Ny helony noho ny fieremany no nahatezitra Ahy ka namelezako azy;

Fa niery Aho, satria tezitra,

Nefa niodina izy ka mbola nandroso tamin’ny làlana tian’ny fony ihany.

18Efa nahita ny làlany Aho, nefa hahasitrana azy ihany,

Dia hitari-dàlana azy Aho

Ka hampody ny fiononana ho aminy sy ho amin’ny malahelo ao aminy,–

19Dia Izaho Izay mahary ny vokatry ny molotra:

Fiadanana, fiadanana ho an’izay lavitra sy ho an’izay akaiky! hoy Jehovah,

Ka dia hahasitrana azy Aho.

20Fa ny ratsy fanahy dia tahaka ny ranomasina misamboaravoara,

Eny, tsy mety tafatoetra izy, ka ny ranony dia mamoaka loto sy fotaka.

21Tsy misy fiadanana ho an’ny ratsy fanahy, hoy Andriamanitro.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help