Isaia 46 - Malagasy Protestant Bible

Ny fahatsinontsinon’ny sampin’i Babylona, sy fanomezan-toky ny Isiraely hifikitra amin’i Jehovah, ary ny hery sy ny fahalalan’i Jehovah.

1MANGOZOHOZO Bela, efa miraika Nebo,

Ny sampiny dia nampitondraina ny biby folahina sy ny biby fiompy;

Ny zavatra fitòndranareo dia asampy

Ka tonga enta-mavesatra entin’ireo biby reraka.

2Miraika sy mangozohozo avokoa izy,

Ka tsy mahavonjy ny entana akory;

Fa na dia ny tenany aza dia lasan-ko babo koa.

3Mihainoa Ahy, ry taranak’i Jakoba

Sy izay sisa rehetra amin’ny taranak’Isiraely,

Izay nobabena hatrany an-kibo

Sy nentina hatrany am-bohoka:

4Na dia mandra-pahantitrareo aza, dia tsy miova Aho,

Ary mandra-pahafotsy-volonareo, dia Izaho ihany no hisahirana mitondra anareo.

Izaho no nanao, ka Izaho ihany no hitrotro,

Eny, Izaho no hitondra sy hanafaka.

5Hampitovinareo amin’iza moa Aho,

Sy amin’iza no hanoharanareo Ahy,

Ary iza no hataonareo ho tahaka Ahy mba hitahany amiko?

6Izay mandraraka volamena avy ao an-kitapo

Sy mandanja volafotsy amin’ny mizana

Dia manakarama mpanefy volamena mba hanao izany ho andriamanitra,

Hiankohofany sy hivavahany.

7Dia betainy ho eny an-tsorony iny ka entiny

Ary apetrany eo amin’ny fitoerany iny, ka dia mitoetra eo;

Tsy mahay miala eo amin’ny fitoerany iny;

Ary na dia misy mitaraina aminy aza, dia tsy mahay mamaly izy,

Na mahavonjy azy amin’ny fahoriany.

8Tsarovy izany, ka mahereza hianareo;

Eritrereto tsara izany, ry mpiodina.

9Tsarovy ny zavatra taloha izay efa lasa ela;

Fa Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy hafa;

Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy tahaka Ahy,

10Izay manambara ny farany hatramin’ny voalohany,

Ary nanambara hatramin’ny ela izay tsy mbola natao akory,–

Dia Ilay manao hoe: Ho to ny fikasako,

Ary hefaiko ny sitrapoko rehetra,

11Izay miantso vorona mpihaza avy any atsinanana,

Dia lehilahy avy any an-tany lavitra hahefa ny fikasako;

Sady efa niteny izany Aho no hahatanteraka azy koa,

Sady nikasa Aho no hahefa azy.

12Mihainoa Ahy, hianareo madi-po,

Izay lavitra ny fahamarinana:

13Hampanatoniko ny fahamarinako, ka tsy ho lavitra intsony;

Ary ny famonjeko tsy hitaredretra;

Fa hametraka famonjena ao Ziona Aho

Sy ny voninahitro ho an’ny Isiraely.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help