Zakaria 4 - Malagasy Protestant Bible

Fahitana fahadimy: ny amin’ny fanaovan-jiro, sy ny hazo oliva roa.

1ARY niverina ilay anjely niresaka tamiko ka namoha ahy toy ny olona fohazina amin-tory.

2Dia hoy izy tamiko: Inona no hitanao? Ary hoy izaho: Hitako fa, indro, misy fanaovan-jiro tena volamena, ary ny fitoeran-diloilony dia eo an-tampony, ary ny lela fanaovan-jirony fito kosa dia eo aminy, ary misy fantsona fito avy amin’ny isan’ny lela fanaovan-jiro izay eo an-tampony;

3ary misy hazo oliva roa eo anilany, ny anankiray eo an-kavanan’ny fitoeran-diloilo, ary ny anankiray eo an-kaviany.

4Dia niteny tamin’ilay anjely niresaka tamiko aho nanao hoe: Inona moa ireo, tompoko?

5Ary ilay anjely niresaka tamiko dia namaly ka nanao tamiko hoe: Tsy fantatrao va ireo? Fa hoy izaho: Tsia, tompoko.

6Dia namaly izy ka nanao tamiko hoe: Izao no tenin’i Jehovah amin’i Zerobabela: Tsy amin-kery na amim-pahatanjahana, fa amin’ny Fanahiko, hoy Jehovah, Tompon’ny maro.

7Iza moa hianao, ry tendrombohitra lehibe? Ho tonga tany lemaka eo anoloan’i Zerobabela hianao; ary ho entiny mivoaka ny vato hatao tendrony sady hisy fiantsoana hoe: Fahasoavana, fahasoavana anie ho aminy!

8Dia tonga tamiko indray ny tenin’i Jehovah nanao hoe:

9Ny tànan’i Zerobabela no nanao ny fanorenan’ity trano ity, ary ny tànany koa no hamita azy; ka dia ho fantatrao fa Jehovah, Tompon’ny maro, no naniraka ahy ho aminao.

10Fa iza no nanamavo ny andron’ny zava-madinika? Ho faly mahita ny pilao eny an-tànan’i Zerobabela ireo fito ireo, dia ny mason’i Jehovah, izay mijery eny tontolo eny eran’ny tany rehetra.

11Dia namaly aho ka nanao taminy hoe: Inona moa ireo hazo oliva roa eo an-kavanan’ny fanaovan-jiro sy eo an-kaviany ireo?

12Ary namaly koa aho ka nanao taminy hoe: Inona moa ireo sampahon’oliva roa eo amin’ny fantsona volamena izay mampijononoka ny diloilo volamena avy ao aminy ireo?

13Dia namaly izy hoe: Tsy fantatrao va ireo? Ary hoy izaho: Tsia, tompoko.

14Dia hoy izy: Ireo no zana-diloilo roa, izay mitsangana eo anoloan’ny Tompon’ny tany rehetra.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help