Tonon-kiran’i Solomona 6 - Malagasy Protestant Bible

1Nankaiza ny malalanao,

Ry tsara tarehy amin’ny vehivavy?

Nivily nankaiza ny malalanao?

Mba hiarahanay aminao hitady azy.

2Lasa nidina ho any an-tsahany ny malalako,

Dia any amin’ny tanim-boninkazo misy zava-manitra eo an-tsaha,

Hiandry ny ondriny eny amin’ny tanimboly sy hioty ny lilia.

3An’ny malalako aho, ary ahy ny malalako,

Dia ilay miandry ny ondry andiany eny amin’ny lilia.

4Tsara tarehy tahaka an’i Tirza hianao, ry tompokovavy havako,

Eny, tsara tarehy tahaka an’i Jerosalema,

Mahatahotra toy ny antokon’ny miaramila mitondra faneva.

5Avilio ny masonao tsy hijery ahy,

Fa mampiontanantana ny foko izy;

Ny volonao dia tahaka ny osy andiany.

Izay mandriandry eny ankilan’i Gileada.

6Ny nifinao dia tahaka ny ondrivavy andiany,

Izay miakatra avy eo amin’ny fampandroana;

Samy kambana avy ireo,

Fa tsy misy tsy mana-manana,

7tahaka ny hasin’ampongabendanitra ny takolakao

Eo amin’ny fisalobonanao.

8Misy mpanjakavavy enim-polo

Sy vaditsindrano valo-polo

Ary zatovovavy tsy hita isa.

9Fa iray monja kosa no voromailalako, dia ilay ahy tsy misy kilema,

Vavy tokan-dreniny

Sady tsongaina amin’izay naterany.

Ny zazavavy nahita azy ka nanao azy ho sambatra,

Eny, ny mpanjakavavy sy ny vaditsindrano, ka nidera azy.

10Iza moa io vehivavy mitsidika toy ny maraina,

Izay tsara tarehy tahaka ny volana, madio toy ny masoandro

Sady mahatahotra toy ny antokon’ny miaramila mitondra faneva?

11Lasa nidina nankany an-tsaha tsara hazo aho,

Hijerijery ny zava-maitso an-dohasaha,

Hizaha raha mitsimoka ny voaloboka

Sy mamony ny ampongabendanitra.

12Tsy nampoiziko ny nanandratan’ny fanahiko ahy

Ho eo amin’ny kalesin’ny fireneko be voninahitra.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help