Joba 27 - Malagasy Protestant Bible

1Dia mbola nandroso nanao oha-teny ihany Joba ka nanao hoe:

2Raha velona koa Andriamanitra, Izay efa nandà tsy hanome ahy ny rariny,

Sy ny Tsitoha, Izay efa nampangidy ny aiko–

3Fa mbola ato anatiko ihany ny aiko,

Ary eo am-bavoroko ny Fanahin’Andriamanitra–

4Dia tsy hanao teny tsy marina ny molotro,

Ary tsy hanonom-pitaka ny lelako.

5Sanatria raha hanaiky ny anareo ho marina aho!

Mandra-pialan’ny aiko dia tsy hanaiky ny tenako ho manan-tsiny aho.

6Ny fahamarinako dia hazoniko mafy ka tsy ho foiko;

Ny foko tsy manome tsiny ahy akory na dia ny amin’ny andro-ko iray monja aza.

7Aoka ho hita fa ratsy fanahy ny fahavaloko,

Ary tsy marina izay mitsangana hanohitra ahy.

8Fa inona no fanantenan’ny mpihatsaravelatsihy, raha maito ny ainy,

Ka tsoahan’Andriamanitra ny fanahiny?

9Hihaino ny fitarainany va Andriamanitra,

Raha ozoim-pahoriana izy?

10Ho azony iravoravoana va ny Tsitoha?

Hahazo miantso an’Andriamanitra mandrakariva va izy?

11Hampianatra anareo ny amin’ny tànan’Andriamanitra aho,

Ary tsy hisorona anareo aho ny amin’ny hevitry ny Tsitoha.

12Indreo, hianareo rehetra samy efa nahita izany;

Koa nahoana hianareo no manao hevi-poana?

13Izao no anjaran’ny ratsy fanahy avy amin’Andriamanitra,

Sy lovan’ny lozabe raisiny avy amin’ny Tsihota:

14Na dia mihamaro aza ny zanany, dia ho an’ny sabatra ihany ireny.

Ary ny zaza aterany tsy ho voky hanina;

15Ny ankohonany sisa dia hasitrik’Ifahafatesana,

Ary tsy hisaona azy ny mpitondratenany;

16Na dia mahary volafotsy hoatra ny vovoka aza izy

Ary mahangona fitafiana hoatra ny fotaka,

17Eny, manangona ihany izy, nefa ny marina no hitafy izany,

Ary ny tsy manan-tsiny no hizara ny volafotsy.

18Manao ny tranony tahaka ny an’ny lolofotsy izy,

Ary tahaka ny trano rantsan-kazo ataon’ny mpiandry voly;

19Ao avokoa ihany ny hareny, raha vao mandry izy;

Nefa nony ahirany ny masony, dia tsy ao intsony ireny.

20Ny fampahatahorana mahatratra azy tahaka ny riaka;

Nony alina paohin’ny tafio-drivotra izy;

21Ny rivotra avy any atsinanana mampiainga sy mahalasa azy

Ka mipaoka azy hiala amin’ny fitoerany;

22Asian’ Andriamanitra izy ka tsy iantrany,

Ary mandositra dia mandositra ho afaka amin’ny tànany izy;

23Tehafin’ny olona tànana izy

Sady isitrisirany ka ampialainy amin’ny fonenany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help