Salamo 7 - Malagasy Protestant Bible

Fiantsoana an’Andriamanitra, Mpitsara marina.

1Sigaiona nataon’i Davida, izay nohirainy ho an’i Jehovah noho ny tenin’i Kosy Benjamita.

JEHOVAH Andriamanitro ô, Hianao no ialofako;

Vonjeo aho amin’izay rehetra manenjika ahy, ka afaho;

2Fandrao ny fanahiko viravirainy tahaka ny fanaon’ny liona,

Ary kepokepohiny, ka tsy misy mamonjy.

3Jehovah Andriamanitro ô, raha nanao izany aho;

Raha misy heloka eto an-tànako;

4Raha namaly ratsy izay tsara fihavanana tamiko aho–

Novonjeko aza izay nampahory ahy tsy ahoan-tsy ahoana–

5Dia aoka ny fahavalo hanenjika ny fanahiko ka hahatratra azy;

Eny, aoka izy hanitsaka ny aiko amin’ny tany

Ary hampandry ny voninahitro amin’ny vovoka.

[Sela.]

6Jehovah ô, mitsangàna amin’ny fahatezeranao;

Misandrata hisakana ny fisafoaky ny mpampahory ahy;

Ary mifohaza hanampy ahy, fa didy marina no navoakanao;

7Aoka ny firenena maro hivory manodidina Anao;

Ary miverena ho any amin’ny avo eo amboniny Hianao,

8Jehovah hitsara ny firenena;

Jehovah ô, tsarao aho araka ny fahamarinako sy ny tsi-fananako tsiny.

9Aoka ho tapaka ny ratsy ataon’ny ratsy fanahy, fa ampitoero kosa ny marina;

Fa Andriamanitra marina no mamantatra ny fo sy ny voa.

10Ny ampingako dia ao amin’Andriamanitra,

Mpamonjy ny mahitsy fo.

11Mpitsara marina Andriamanitra,

Eny, Andriamanitra Izay tezitra isan-andro.

12Raha tsy ibebahana Izy, dia hanasa ny sabany;

Efa manenjana ny tsipìkany Izy ka manamboatra azy,

13Ary ireo dia kendreny amin’ny fiadiana mahafaty;

Ny zana-tsipìkany ataony mirehitra.

14Indro, efa marary hiteraka zava-poana ireo;

Eny, torontoronina fampahoriana izy ary mitera-doza;

15Mihady lavaka izy ka manalalaka izany,

Dia latsaka ao anatin’ny longoa nataony ihany izy;

16Mitsingerina ho eo an-dohany ihany ny fampahoriany;

Ary eo an-tampon-dohany ihany no ianjeran’ny loza nataony.

17Hidera an’i Jehovah araka ny fahamarinany aho

Ary hankalaza ny anaran’i Jehovah Avo Indrindra.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help