Isaia 55 - Malagasy Protestant Bible

Fiantsoana ny olona rehetra handray ny fahasoavan’Andriamanitra.

1HE! hianareo rehetra izay mangetaheta,

Mankanesa amin’ny rano!

Ary hianareo izay tsy manam-bola,

Avia, mividia, ka homana!

Eny, avia, mividia divay sy ronono,

Nefa tsy amim-bola, na amin-karena.

2Nahoana hianareo no mandany vola amin’izay tsy hanina,

Ary ny vokatry ny fisasaranareo amin’izay tsy mahavoky?

Mihainoa dia mihainoa Ahy, ka hano izay tsara,

Dia aoka hiravoravo amin’ny matavy ny fanahinareo.

3Atongilano ny sofinareo, ka mankanesa atỳ amiko,–

Mihainoa, dia ho velombelona ny fanahinareo;

Ary hanao fanekena mandrakizay aminareo Aho,

Dia ny famindrampo mahatoky nampanantenaina an’i Davida.

4Indro, nataoko vavolombelona ho an’ny firenena Izy,

Ho mpanapaka sy komandy amin’ny firenena.

5Indro, firenena izay tsy fantatrao no hantsoinao,

Ary firenena izay tsy nahalala Anao no hihazakazaka ho aminao

Noho ny amin’i Jehovah Andriamanitrao,

Sy ny Iray Masin’ny Isiraely, fa nomeny voninahitra Hianao.

6Mitadiava an’i Jehovah, dieny mbola hita Izy,

Miantsoa Azy, dieny mbola akaiky Izy.

7Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny làlany,

Ary ny tsy marina hahafoy ny heviny;

Ary aoka hiverina ho amin’i Jehovah ireny,

Fa hamindra fo aminy Izy,

Eny, ho amin’Andriamanitsika,

Fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy.

8Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo,

Ary ny làlanareo kosa tsy mba làlako, hoy Jehovah.

9Fa tahaka ny hahavon’ny lanitra noho ny tany

No hahavon’ny làlako noho ny làlanareo

Sy ny fihevitro noho ny fihevitrareo.

10Fa toy ny ranonorana sy ny orampanala milatsaka avy any an-danitra

Ka tsy miverina any,

Raha tsy efa nahavonto ny tany

Ka nampaniry sy nampahavokatra azy,

Mba hahatonga voa ho an’ny mpamafy

Sy hanina ho an’ny mpihinana,–

11Dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako:

Tsy hiverina amiko foana izy,

Raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako

Ary ambinina amin’izay ampandehanako azy.

12Fa amin’ny fifaliana no hivoahanareo,

Ary amin’ny fiadanana no hitondrana anareo;

Ny tendrombohitra sy ny havoana hahavelona hoby eo alohanareo,

Ary ny hazo rehetra any an-tsaha hiteha-tànana.

13Ny hazo kypreso haniry ho solon’ny tsilo,

Ary ny rotra ho solon’ny sampivato;

Ary ho anarana ho an’i Jehovah izany,

Dia ho famantarana mandrakizay izay tsy hesorina.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help