Ezekiela 19 - Malagasy Protestant Bible

Hira fahalahelovana ny amin’ireo lehiben’ny Isiraely.

1ARY manaova hira fahalahelovana ny amin’ireo andrianan’ny Isiraely hianao,

2ka ataovy hoe:

Nahoana ny liom-bavy reninareo

No namitsaka tao amin’ny liom-bavy

Ary nitaiza ny zanany tao amin’ny liona tanora?

3Ary nahalehibe ny zanany anankiray izy, dia tonga liona tanora io

Ka nianatra hamiravira haza sady nihinana olona.

4Nahare ny lazany ny firenena, dia namandrika azy tamin’ny lavaka,

Ka nasiany masom-by ny orony, dia nentiny ho any amin’ny tany Egypta izy.

5Ary nony hitan’ny liom-bavy fa foana sy levona ny fanantenany,

Dia nangalany indray ny zanany ka notezainy ho tonga liona tanora.

6Ary nivoivoy teny amin’ny liom-bavy iny,

Dia tonga liona tanora

Ka nianatra hamiravira haza sady nihinana olona.

7Ary nisavika ny mpitondratenan’ireny izy

Sady nandrava ny tanànany,

Ka lao ny tany mbamin’izay rehetra tao aminy

Noho ny feon’ny fierony.

8Ary ny jentilisa manodidina, izay avy any amin’ny fanjakana samy hafa,

Dia nanamboatra sy namelatra ny fandrika haratony taminy,

Ka dia voafandrika tamin’ny lavaka izy.

9Ary nataony tamin’ny vata izy, sady nasiany masom-by ny orony,

Ka nentiny ho any amin’ny mpanjakan’i Babylona izy,

Nentiny ho ao amin’ny fiarovana izy,

Mba tsy ho re eny amin’ny tendrombohitry ny Isiraely intsony ny feony.

10Ny reninao dia tahaka ny voaloboka voavoly teo amoron-drano

Tamin’ny andro niadananao:

Vokatra sady nanaroka izy azon’ny rano be,

11Ka nisy rantsany mafy azo natao tehim-panjakana ho an’izay manapaka,

Dia tonga avo izy ka nitehika tamin’ny rahona matevina,

Ary niseho tamin’ny hahavony izy noho ny hamaroan’ny rantsany.

12Nefa nongotana tamin’ny fahavinirana izy

Ka nazera ho amin’ny tany,

Ary ny rivotra avy any atsinanana no nahamaina ny voany;

Ny rantsany mafy dia tapaka ka maina;

Levon’ny afo ireny.

13Ary ankehitriny voavoly any an-efitra,

Dia ao amin’ny tany maina karankaina izy.

14Ary afo no mivoaka avy amin’ny sampany misy tehina

Ka mandevona ny voany,

Dia tsy misy rantsany mafy azo atao tehim-panjakana ho fanapahana intsony izy.

Hira fahalahelovana izany sady mbola ho hira fahalahelovana ihany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help