Salamo 111 - Malagasy Protestant Bible

Salamo abidy. Ny fahatsaran’Andriamanitra, sy ny soa ataony amin’ny olony.

1HALELOIA.

Hidera an’i Jehovah amin’ny foko rehetra aho,

Eo amin’ny fivorian’ny marina sy ny fiangonan-dehibe.

2Lehibe ny asan’i Jehovah,

Ka dinihin’izay rehetra mankasitraka azy.

3Madera sady malaza ny asany;

Ary ny fahamarinany maharitra mandrakizay.

4Manao izay hahatsiarovana ny fahagagana ataony Izy;

Miantra sy mamindra fo Jehovah.

5Nomeny hanina izay matahotra Azy;

Tsarovany mandrakizay ny fanekeny.

6Ny herin’ny asany nasehony tamin’ny olony,

Tamin’ny nanomezany azy ny lovan’ny jentilisa.

7Ny asan’ny tànany dia fahamarinana sy fitsarana;

Mahatoky avokoa ny didiny rehetra;

8Mitoetra mafy mandrakizay doria ireny,

Fa natao tamin’ny fahamarinana sy ny fahitsiana.

9Manatitra fanavotana ho an’ny olony Izy;

Efa nanorina ny fanekeny ho mandrakizay Izy;

Masina sy mahatahotra ny anarany.

10Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahendrena;

Fahalalana tsara no ananan’izay rehetra mankatò izany;

Maharitra mandrakizay ny fiderana Azy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help