Joela 3 - Malagasy Protestant Bible

Ny amin’ny handatsahana ny Fanahy Masina, sy ny hitsarana ny firenena rehetra.

1ARY rehefa afaka izany, dia handatsaka ny Fanahiko amin’ny nofo rehetra Aho;

Dia haminany ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo,

Ny lahi-antitrareo hanonofy,

Ary ny zatovonareo hahita fahitana;

2Ary na dia ny mpanompolahy sy ny mpanompovavy aza

Dia handatsahako ny Fanahiko amin’izany andro izany.

3Ary hanisy fahagagana eny amin’ny lanitra sy etỳ amin’ny tany Aho,

Dia ra sy afo ary setroka mitankosina.

4Ny masoandro hampodina ho aizina, ary ny volana ho ra,

Alohan’ny hahatongavan’ny andron’i Jehovah, izay sady lehibe no mahatsiravina.

5Ary na zovy na zovy no hiantso ny anaran’i Jehovah dia ho afa-mandositra;

Fa ao an-tendrombohitra Ziona sy any Jerosalema dia hisy sisa afaka,

Araka izay efa voalazan’i Jehovah,

Ary izay antsoin’i Jehovah dia ho isan’izay afa-mandositra.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help