Isaia 23 - Malagasy Protestant Bible

Faminaniana ny amin’ loza hanjo an’i Tyro.

1FAMINANIANA ny amin’ny loza hanjo an’i Tyro.

Midradradradrà hianareo, ry sambon’i Tarsisy ô!

Fa rava Tyro, ka tsy misy trano sady tsy azo idirana intsony ao;

Avy tany amin’ny tany Kitima no nanambarana izany taminy.

2Mangìna, hianareo mponina amoron-tsiraka!

Ny mpandranto avy any Sidona,

Izay mandeha eny ambonin’ny ranomasina, no efa nampanan-karena anao.

3Teny amin’ny rano be ny varin’i Sihora,

Dia ny vokatr’i Neily, ka nampiditra harena ho azy;

Ary tonga tsenan’ny firenena izy.

4Aoka ho menatra hianao, ry Sidona;

Fa ny ranomasina, dia ny fiarovana mafy ao an-dranomasina, efa niteny hoe:

Tsy mbola nihetsi-jaza aho, na niteraka,

Tsy mbola nitaiza zatovo aho, na namelona virijina.

5Rehefa re tany Egypta izany,

Dia toran-kovitra izy noho ny nanjo an’i Tyro.

6Mità ho any Tarsisy hianareo;

Midradradradrà, ry mponina amoron-tsiraka.

7Izao va no manjo anao, ry ilay niravoravo,

Izay efa naorina hatry ny fony fahagola

Sady nentin’ny tongony hivahiny any lavitra any?

8Iza no nikasa izany hamelezana an’i Tyro, mpanome satroboninahitra, izany?

Mpanapaka ny mpandrantony,

Olo-malaza amin’ny tany ny mpivarony.

9Jehovah, Tompon’ny maro, no nikasa izany,

Mba hampietreny ny fiavonavonan’ny voninahitra rehetra,

Sy hanalany ny voninahitry ny olo-malaza rehetra amin’ny tany.

10Ry Tarsisy zanakavavy,

Aoka hianao hanafotra ny taninao tahaka an’i Neily;

Fa tsy misy fifehezana intsony.

11Ny tànan’i Jehovah nahinjiny tambonin’ny ranomasina;

Nampihorohoroiny ny fanjakana;

Jehovah efa nandidy ny amin’i Kanana,

Mba horavana ny fiarovany mafy.

12Ary hoy Izy: Tsy hiravoravo intsony hianao,

Ry virijina afa-baraka, Sidona zanakavavy;

Miaingà, mità ho any Kitima;

Kanefa na dia any aza tsy hahita fitsaharana tsy akory hianao.

13Indro ny tanin’ny Kaldeana! Tsy firenena intsony izy,

Fa nataon’ny Asyriana fonenan’ny bibi-dia any an-efitra;

Manao tilikambo fitiliana izy

Ka mandrava ny lapan’ny mpanjaka ao

Ary mampody azy ho korontam-bato.

14Midradradradrà hianareo, ry sambon’i Tarsisy ô!

Fa rava ny fiarovanareo mafy.

15Ary amin’izany andro izany dia hohadinoina fito-polo taona Tyro,

Toy ny andron’ny mpanjaka iray;

Ary rehefa afaka fito-polo taona,

Tyro dia hiharan’ilay tonon-kalon’ny janga manao hoe:

16,,Makà lokanga, ka miveziveze eran’ny tanàna hianao,

Ry kala janga hadino;

Mitendre tsara, ka mahereza mivazovazo,

Mba hahatsiarovana anao’’.

17Ary rehefa afaka fito-polo taona,

Jehovah hamangy an’i Tyro,

Ka dia hiverina amin’ny filan-tangy izy

Sy hijangajanga amin’ny fanjakana rehetra

Manerana izao tontolo izao.

18Ary ny varony sy ny tangy azony dia hohamasinina ho an’i Jehovah;

Tsy hotehirizina na horaketina izany;

Fa ny varony dia ho an’izay mitoetra eo anatrehan’i Jehovah,

Ho hanina mahavoky sy ho fitafiana mendrika.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help