Salamo 130 - Malagasy Protestant Bible

Fitarainana ataon’izay latsaka amin’ny fahoriana lalina.

1Fihirana fiakarana.

TAO amin’ny lalina no niantsoako Anao, Jehovah ô,

2Tompo ô, henoy ny feoko;

Aoka ny sofinao hihaino tsara ny feon’ny fifonako.

3Raha mandinika heloka Hianao, Jehovah ô,

Iza no hahajanona, Tompo ô?

4Fa eo aminao no misy ny famelan-keloka,

Mba hatahorana Anao.

5Niandry an’i Jehovah aho;

Eny, niandry Azy ny fanahiko,

Ary ny teniny no nanantenako.

6Ny fanahiko miandry ny Tompo

Mihoatra noho ny fiandrin’ny mpiambina ny maraina,

Dia ny fiandrin’ny mpiambina ny maraina.

7Manantenà an’i Jehovah, ry Isiraely;

Fa eo amin’i Jehovah no misy famindrampo sy fanavotana be;

8Ary Izy no hanavotra ny Isiraely

Ho afaka amin’ny helony rehetra.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help