1Tonon-kira. Salamo nataon’i Davida.
ANDRIAMANITRA ô, tafatoetra ny foko;
Ny fanahiko no hihira sy hankalaza.
2Mifohaza, ry valiha sy lokanga; hifoha maraina koa aho.
3Hidera Anao eny amin’ny firenena maro aho, Jehovah ô,
Ary hankalaza Anao eny amin’ny jentilisa.
4Fa lehibe mihoatra ny lanitra ny famindramponao;
Ary mipaka eny amin’ny rahona ny fahamarinanao.
5Misandrata any ambonin’ny lanitra Hianao, Andriamanitra ô;
Ary aoka ho etỳ ambonin’ny tany rehetra ny voninahitrao.
6Mba hahafaka ny malalanao,
Dia vonjeo amin’ny tànanao ankavanana aho, ka valio.
7Andriamanitra niteny tamin’ny fahamasinany hoe:
Hifaly Aho ka hizara an’i Sekema,
Ary ny lohasahan’i Sokota horefesiko;
8Ahy Gileada, Ahy Manase;
Ary aron’ny lohako Efraima;
Tehim-panjakako Joda;
9Tavindranoko fanasana Moaba;
Edoma no hanipazako ny kapako;
Noho ny amin’i Filistia no hihobiako.
10Iza no hitondra ahy ho any an-tanàna mafy?
Iza no hitarika ahy ho any Edoma?
11Tsy Hianao va no efa nanary anay, Andriamanitra ô,
Sady tsy mivoaka miaraka amin’ny miaramilanay, Andriamanitra ô?
12Vonjeo amin’ny fahavalo izahay;
Fa zava-poana ny famonjena ataon’ny olona.
13Andriamanitra no haharezantsika;
Fa Izy no hanitsakitsaka ny fahavalontsika.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.