Jeremia 11 - Malagasy Protestant Bible

Ny nivadihan’ny Isiraely tamin’ny fanekena nataon’i Jehovah taminy, sy ny nanjo azy noho izany.

1IZAO no teny tonga tamin’i Jeremia avy tamin’i Jehovah:

2Mihainoa ny tenin’izao fanekena izao hianareo,

Ary mitenena amin’ny Joda

Sy amin’ny mponina any Jerosalema,

3Ary ataovy aminy hoe:

Izao no lazain’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely:

Ho voaozona izay olona tsy mankatò ny tenin’izao fanekena izao,

4Izay nandidiako ny razanareo

Tamin’ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin’ny tany Egypta,

Dia avy tao amin’ny memy fandrendreham-by,

Ka nanaovako hoe: Mihainoa ny feoko,

Ary mankatoava ireny araka izay rehetra andidiako anareo,

Dia ho oloko hianareo,

Ary Izaho kosa ho Andriamanitrareo,

5Mba hotoviko ny fianianana izay nianianako tamin’ny razanareo,

Dia ny hanomezana azy tany tondra-dronono sy tantely

Tahaka ny amin’izao anio izao.

Dia namaly aho ka nanao hoe: Ho izany tokoa anie, Jehovah ô!

6Ary hoy Jehovah tamiko:

Torio any an-tanànan’ny Joda

Sy any an-dàlamben’i Jerosalema izany teny rehetra izany, ka lazao hoe:

Henoy ny tenin’izao fanekena izao,

Ka ankatoavy izy.

7Fa nananatra mafy ny razanareo Aho

Tamin’ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin’ny tany Egypta

Ka ambaraka andro-any;

Eny, nifoha maraina koa Aho ka nananatra hoe:

Mihainoa ny feoko.

8Nefa tsy nihaino izy na nanongilana ny sofiny,

Fa samy nandeha tamin’ny ditry ny fo ratsiny ihany izy;

Ka dia nataoko mihatra aminy ny teny rehetra amin’izao fanekena izao,

Ilay nasaiko nataony, nefa tsy nataony.

9Ary hoy koa Jehovah tamiko:

Misy tetika fikomiana hita ao amin’ny Joda

Sy amin’ny mponina any Jerosalema.

10Fa izy niverina nankamin’ny heloky ny razany,

Izay tsy nety nihaino ny teniko,

Ary lasa nanaraka andriamani-kafa izy ka nanompo azy;

Ny taranak’Isiraely sy ny taranak’i Joda efa nivadika ny fanekeko,

Izay nataoko tamin’ny razany.

11Koa izao no lazain’i Jehovah:

Indro, Izaho hahatonga loza aminy, izay tsy azony handosirana;

Ary na dia hitaraina amiko aza izy,

Dia tsy hihaino azy Aho.

12Dia handeha ny tanànan’ny Joda sy ny mponina any Jerosalema

Ka hitaraina amin’ireny andriamaniny, izay efa nandoroany ditin-kazo manitra;

Nefa ireny tsy hahavonjy azy akory amin’ny andro fahoriany.

13Fa araka ny isan’ny tanànanao, ry Joda, no isan’ny andriamanitrao;

Ary araka ny isan’ny làlamben’i Jerosalema no isan’ny alitara naorinareo ho an’ilay mampahamenatra,

Dia alitara handoroana ditin-kazo manitra ho an’i Bala.

14Koa aza mivavaka ho an’ity firenena ity hianao,

Ary aza manandratra fitarainana na fifonana ho azy;

Fa amin’ny andro izay hitarainany amiko noho ny fahoriany

Dia tsy hihaino azy Aho.

15Hanao inona ao an-tranoko ny malalako

Fa efa namoron-tsain-dratsy niaraka tamin’ny maro izy,

Ary ny hena masina dia esorina aminao;

Raha azon-doza hianao, mifalia ary!

16,Hazo oliva maitso sady misy voany maha-te-hizaha’

No nataon’i Jehovah anaranao;

Tamin’ny fihorakorahana be no nandrehetany afo taminy,

Ary notapahina ny rantsany.

17Fa Jehovah, Tompon’ny maro, Izay namboly anao,

No nanambara ny loza hanjo anao,

Noho ny ratsy nataon’ny taranak’Isiraely sy ny taranak’i Joda,

Izay nahavoa ny tenany ka nahatezitra Ahy,

Dia tamin’ny nandoroany ditin-kazo manitra ho an’i Bala.

Ny teny nasain’i Jehovah nolazaina ny amin’ny mponina tao Anatota, izay nitady hamono an’i Jeremia

18ARY nampahafantarin’i Jehovah aho, ka dia nahalala;

Tamin’izany dia nasehonao ahy ny fanaony.

19Fa izaho dia tahaka ny zanak’ondry bonaika, izay entina hovonoina;

Ary tsy fantatro fa izao no tetika nataony namelezany ahy:

Aoka hosimbantsika ny hazo mbamin’ny voany,

Ary aoka hofongorantsika hiala amin’ny tanin’ny velona izy,

Mba tsy hotsarovana intsony ny anarany.

20Nefa, ry Jehovah, Tompon’ny maro ô, Izay mitsara marina

Ka manantatra ny voa sy ny fo–

Aoka ho hitako ny famalianao azy;

Fa aminao no efa nanankinako ny adiko.

21Koa izao no lazain’i Jehovah ny amin’ny mponina ao Anatota, izay mitady ny ainao ka manao hoe: Aza maminany amin’ny anaran’i Jehovah, fandrao matin’ny tànanay hianao,–

22izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro:

Indro, hovaliako izy,

Ka ny zatovo ho fatin-tsabatra,

Ary ny zanani-lahy sy ny zanani-vavy ho fati-mosary;

23Ka tsy hisy hiangana izy;

Fa hahatonga loza amin’ny mponina ao Anatota Aho

Amin’ny taona hamaliana azy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help