Ohabolana 11 - Malagasy Protestant Bible

1Ny mizana mandainga dia fahavetavetana eo imason’i Jehovah;

Fa ny vato marina no ankasitrahany.

2Raha tonga ny fiavonavonana, dia tonga koa ny fahafaham-baraka;

Fa ao amin’ny manetry tena no misy fahendrena.

3Ny fahitsian’ny mahitsy no mitarika azy;

Fa ny faharatsian’ny mpivadika mahatonga fandringanana amin’ny tenany.

4Ny harena dia tsy mahasoa amin’ny andro fahatezerana;

Fa ny fahamarinana no mamonjy tsy ho azon’ny fahafatesana.

5Ny fahamarinan’ny marina mandamina ny alehany;

Fa ny ratsy fanahy lavon’ny haratsiany ihany.

6Ny fahamarinan’ny mahitsy mamonjy azy;

Fa ny mpivadika dia voafandriky ny filàny.

7Raha maty ny ratsy fanahy, dia foana ny fanantenany,

Eny, foana ny fanantenan’ny mpanao ratsy.

8Ny marina dia vonjena amin’ny fahoriana;

Fa ho avy kosa ny ratsy fanahy hisolo azy.

9Ny vavan’ny mpihatsaravela-tsihy no animbany ny namany;

Fa ny fahalalana no hanafahana ny marina.

10Raha miadana ny marina, dia ravoravo ny tanàna;

Fa raha ringana ny ratsy fanahy, dia velona ny hoby.

11Ny fisaoran’ ny marina no isandratan’ny tanàna;

Fa ny vavan’ny ratsy fanahy no aharavany.

12Tsy ampy saina izay manamavo ny namany;

Fa izay hendry dia mangina.

13Izay mandehandeha manaratsy dia manambara ny hevitra afenina;

Fa ny olona mahatoky tsy mba tia lazalaza.

14Raha tsy misy mpitondra, dia rava ny firenena;

Fa handry fahizay, raha maro ny mpanolo-tsaina.

15Hahita loza tokoa ny mianto-bahiny;

Fa mitoetra tsy manana ahiahy ny tsy tia antoka.

16Ny vehivavy tsara tarehy mahazo dera;

Ary ny mpanao an-keriny mahazo harena.

17Ny olona mamindra fo dia mahazo soa ho an’ny tenany;

Fa ny lozabe dia todìn’ny halozany.

18Ny ratsy fanahy dia mahazo valiny tsy mahasoa;

Fa izay mamafy fahamarinana no mahazo izay tena tambiny tokoa.

19Ny tena fahamarinana dia mamantana any amin’ny fiainana;

Fa izay fatra-panaraka ny ratsy dia iharan’ny fahafatesana.

20Fahavetavetana eo imason’i Jehovah ny meloka am-po;

Fa ankasitrahany kosa izay mandeha tsy misy tsiny.

21Azo itompoana tokoa fa tsy maintsy hampijalina ny ratsy fanahy;

Fa ny taranaky ny marina no hovonjena.

22Toy ny kavim-bolamena eo amin’ny oron-kisoa

Ny vehivavy tsara tarehy tsy manam-pahendrena.

23Ny soa ihany no irin’ny marina;

Fa fahatezerana no fanantenan’ny ratsy fanahy.

24Misy mahafoy, nefa mitombo fananana ihany;

Ary misy fatra-pahihitra loatra, nefa tonga malahelo ihany.

25Izay manisy soa olona hohatavezina;

Ary izay mandena dia mba holemana kosa.

26Izay tsy mamoaka ny variny dia ozonin’ny olona;

Fa saotra no ho amin’ny lohan’izay mivarotra.

27Izay fatra-pikatsaka ny tsara no mitady ny mahafinaritra;

Fa izay mitady ny ratsy dia hiharan’izany.

28Izay matoky ny hareny dia ho lavo;

Fa ny marina ho tahaka ny ravina maitso.

29Izay mampidi-doza amin’ny ankohonany dia mandova ny rivotra;

Ary ny adala dia tonga mpanompon’ny hendry.

30Ny vokatry ny marina dia hazon’aina,

Ary ny hendry dia mahataona olona.

31Indro, ny marina aza dia valiana etỳ an-tany,

Koa mainka fa ny ratsy fanahy sy ny mpanota!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help