Jeremia 48 - Malagasy Protestant Bible

Faminaniana ny amin’i Moaba.

1NY amin’i Moaba.

Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro, Andriamanitry ny Isiraely:

Nidiran-doza Nebo, fa rava!

Mangaihay Kiriataima, fa afaka;

Mangaihay Misgaba sady raiki-tahotra.

2Tsy misy ho reharehan’i Moaba intsony;

Tao Hesbona no niheverany hampidi-doza aminy hoe:

Andeha horavantsika tsy ho firenena izy.

Ho ringana koa hianao, ry Madmena,

Hanenjika anao ny sabatra.

3Injay! misy feo fitarainana ao Horonaima hoe:

Fandravana sy fandringanana be!

4Rava Moaba,

Ny madinika ao dia mamoaka fitarainana.

5Fa miakatra mitomany lalandava eny amin’ny fiakarana Lohita izy;

Ary amin’ny fidinana mankany Horonaima no andrenesana fitarainana mafy

Noho ny fandringanana.

6Mandosira, vonjeo ny ainareo,

Ary aoka ho tahaka ny olona mahantra any an-efitra hianareo.

7Fa noho ny nitokianao tamin’ny asanao sy ny rakitrao

Dia ho voasambotra koa hianao;

Ary Kemosy ho lasan-ko babo,

Dia ny mpisorony sy ny mpanapaka rehetra.

8Ary ny mpandringana ho tonga ao amin’ny tanàna rehetra,

Ka tsy hisy tanàna tsy ho afaka;

Ny lohasaha koa ho simba,

Ary ny tany lemaka ho rava,

Araka izay nolazain’i Jehovah.

9Omeo elatra Moaba,

Fa hanidina izy ka ho lasa;

Ary ho lao ny tanànany,

Ka tsy hisy mponina.

10Ho voaozona anie izay manao tsirambina foana ny asa asain’i Jehovah atao!

Eny, ho voaozona anie izay mihazona ny sabany tsy handatsa-dra!

11Moaba nandry fahizay hatry ny fony izy mbola kely

Ka niotrika tao amin’ny faikany,

Fa tsy naidina nafindrafindra siny,

Ary tsy mbola lasan-ko babo izy;

Koa izany no aharetan’ny tsirony ao aminy

Sy tsy iovan’ny fofony.

12Koa, indro, avy ny andro hanirahako mpanohoka ho any aminy, hoy Jehovah,

Izay hanohoka azy ka hahafoana ny fitoeran-divainy

Sady hanorotoro ny sininy.

13Ary Moaba ho menatra noho ny amin’i Kemosy

Toy ny nahamenaran’ny taranak’Isiraely noho ny amin’i Betela tokiny.

14Ahoana no anaovanareo hoe:

Lehilahy matanjaka sady mahery an-ady izahay?

15Rava Moaba,

Fa ny tanànany dia efa nanihina,

Ary ny zatovony voafantina efa nidina ho any amin’ny famonoana,

Hoy ny Mpanjaka,–Jehovah, Tompon’ny maro, no anarany.

16Efa antomotra ny loza hanjo an’i Moaba,

Ary mimaona ny fahoriany.

17Mitomania azy, hianareo rehetra izay manodidina azy

Sy hianareo rehetra izay mahalala ny anarany!

Eny, manaova hoe: Indrisy! tapaka ny tehina mafy sy ny tsorakazo tsara tarehy!

18Ry Dibona, zanakavavy mponina,

Midìna miala amin’ny voninahitrao, ka mitoera ao amin’ny tany mangentana,

Fa ilay mandringana an’i Moaba dia miakatra mamely anao

Sady mandrava ny fiarovanao.

19Ry mponina any Aroera.

Mijanòna eny an-dàlambe, ka mitazàna,

Ary izay mandositra, na lehilahy na vehivavy, dia anontanio hoe:

Nozoin’inona hianareo?

20Afa-baraka Moaba, eny, raiki-tahotra izy;

Midradradradrà sy mitaraina,

Ka ambaraonareo ao Arnona

Fa rava Moaba.

21Ary ny fitsarana dia miakatra ao amin’ny tany lemaka,

Dia ao Holona sy Jahaza sy Mefata

22Sy Dibona sy Nebo sy Beti-diblataima

23Sy Kiriataima sy Beti-gamola sy Beti-meona

24Sy Keriota ary Bozra,

Eny, ny tanànan’i Moaba rehetra, na ny lavitra na ny akaiky.

25Voakapa ny tandrok’i Moaba,

Ary tapaka koa ny sandriny, hoy Jehovah.

26Ataovy leony izy,

Fa niavonavona tamin’i Jehovah;

Moaba hihosinkosina amin’ny loany

Sady mba ho tonga fihomehezana kosa.

27Fa tsy efa nataonao ho fihomehezana va ny Isiraely?

Moa hita fa naman’ny mpangalatra va izy,

No dia mihifikifika hianao isaky ny milaza azy?

28Ry mponina any Moaba! ilaozy ny tanàna, ka mitoera ao amin’ny harambato,

Ary aoka ho tahaka ny voromailala

Izay manao ny akaniny erỳ am-pitan’ny hantsana hianao.

29Efa renay ny fiavonavonan’i Moaba–fatra-piavonavona loatra izy–

Dia ny fireharehany sy ny fiavonavonany sy ny fiaingitrainginy ary ny avonavon’ny fony.

30Izaho mahalala ny fihoa-bavany sy ny fibedibediny foana, hoy Jehovah;

Tsinontsinona ny ataony.

31Koa hidradradradra noho ny amin’i Moaba aho;

Eny, hitomany noho ny amin’i Moaba rehetra aho,

Ary hitsetra noho ny amin’ny mponina ao Kira-haresa ny olona.

32Mihoatra noho ny fitomanian’ i Jazera no hitomaniako anao, ry voalobok’i Sibma,

Tafita ny ranomasina ny rantsanao

Ary tonga hatrany amin’ny ranomasin’i Jazera;

Ny mpandripaka dia tonga handripaka ny voankazonao masaka fahavaratra sy ny voalobokao.

33Ary ny hafaliana sy ny faharavoravoana nesorina tamin’ny saha nahavokatra

Sy tamin’ny tany Moaba;

Ary nataoko tankina ny divay tamin’ny vata fanantazana ranom-boaloboka,

Tsy hisy hihoby amin’ny fanitsakitsahana;

Ny fihobiana dia tsy fihobiana akory.

34Ny fitarainan’i Hesbona, dia re hatrany Elale sy Jahaza,

Hatrany Zoara ka hatrany Horonaima sy Eglata-selisia;

Fa na dia ny ranon’i Nimrima aza dia ho ritra koa.

35Ary hatsahatro ao Moaba koa

Izay miakatra hanatitra amin’ny fitoerana avo

Sy izay mandoro ditin-kazo manitra ho an’ny andriamaniny, hoy Jehovah.

36Ary noho izany ny foko dia mitomany manao feon-tsodina noho ny amin’i Moaba,

Ary ny foko mitomany manao feon-tsodina noho ny amin’ny mponina ao Kira-haresa,

Eny, noho izany dia levona ny harena be izay nohariny.

37Fa mibory ny loha rehetra.

Ary voaharatra ny somotra rehetra,

Misy tetika amin’ny tanàna rehetra

Sy lamba fisaonana amin’ny valahana.

38Eny, amin’ny tampon-trano rehetra any Moaba

Sy eny an-kalalahana dia misy fisaonana avokoa;

Satria torotoroiko toy ny fanaka tsy mahafinaritra intsony Moaba, hoy Jehovah.

39Indrisy! raiki-tahotra izy! Midradradradrà!

Indrisy! efa miamboho Moaba, mangaihay izy,

Ka dia tonga fihomehezana sy fampitahorana ho an’izay rehetra manodidina azy.

40Fa izao no lazain’i Jehovah:

Indro, hanidina toy ny voromahery izy

Ka hamelatra ny elany hipaoka an’i Moaba.

41Afaka ny tanàna,

Ka azo ny batery fiarovana,

Ary amin’izany andro izany ny fon’ny lehilahy maherin’i Moaba

Dia ho tahaka ny fon’ny vehivavy mihetsi-jaza.

42Ary horavana tsy ho firenena intsony Moaba,

Satria niavonavona tamin’i Jehovah izy.

43Tahotra sy lavaka ary fandrika no mahazo anao,

Ry mponina any Moaba, hoy Jehovah.

44Izay mandositra ny tahotra dia ho latsaka any an-davaka;

Ary izay miakatra avy any an-davaka dia ho voan’ny fandrika;

Fa hataoko tonga amin’i Moaba

Ny taona hamaliana azy, hoy Jehovah.

45Ao amin’ny alokalok’i Hesbona no ijanonan’ny mpandositra, satria lany hery ireny;

Kanjo misy afo mivoaka avy any Hesbona,

Ary lelafo avy any Sihona,

Ka mandevona ny sisin’ i Moaba

Sy ny tampon-dohan’ny mpitabataba.

46Idiran-doza hianao, ry Moaba!

Ringana ny olon’i Kemosy!

Fa ho babo ny zanakao-lahy, ary ho sambotra ny zanakao-vavy.

47Nefa mbola hampodiko avy amin’ny fahababoana ihany Moaba any am-parany, hoy Jehovah.

Hatreto ny amin’ny fitsarana an’i Moaba.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help