Joba 24 - Malagasy Protestant Bible

1Nahoana no tsy misy fotoan’andro voatendrin’ny Tsitoha,

Ary nahoana no tsy hitan’ny mahalala Azy izany androny izany?

2Misy mamindra fari-tany

Sy mangalatra omby aman-ondry sady miandry azy.

3Mandroaka ny borikin’ny kamboty izy,

Ary maka ny ombin’ny mpitondratena ho tsatòka.

4Manosika ny mahantra hiala amin’ny làlana izy,

Ka dia miery azy avokoa ny malahelo amin’ny tany.

5Indro, tahaka ny fivoaky ny boriki-dia any an-efitra

No fivoak’ireny ho amin’ny asany hiremby;

Ny tani-hay no ahazoany hanina ho an’ny zanany.

6Any an-tsaha izy maka vilona

Sy mitsimpontsimpona ny voaloboky ny ratsy fanahy.

7Mandry mitanjaka amin’ny alina izy, satria tsy manan-damba,

Ka dia tsy manana firakotra amin’ny hatsiaka;

8Kotsan’ny ranonoram-baratra any an-tendrombohitra izy,

Ka mitampisaka amin’ny vatolampy, fa tsy manam-pialofana.

9Misarika ny kamboty eo am-pinonoana izy

Ary maka tsatòka amin’ny ory.

10Mandeha mitsaitsaika ireo, fa mitanjaka tsy manan-kitafy,

Ary noana eo am-pitondrana ny amboaram-bary

11Manao diloilo eo anatin’ny tambohon’ny mpampahory azy

izy;

Ary manosihosy ny famiazam-boaloboka izy, nefa mangetaheta ihany.

12Mitrona ny lehilahy ao an-tanàna,

Ary mitaraina ny fanahin’ny voalefona;

Nefa tsy ahoan’Andriamanitra akory ny ratsy atao.

13Ireny no mpikomy amin’ny mazava;

Tsy mba mihevitra ny làlany izy,

Na mitoetra eo amin’ny alehany.

14Raha vao mangiran-dratsy, dia mifoha ny mpamono olona;

Mamono ny ory sy ny malahelo izy,

Ary nony alina, dia tahaka ny mpangalatra.

15Ny mason’ny mpijangajanga miandry ny maizimaizina,

Ka hoy izy: Tsy misy hahalala ahy;

Ka dia manao very maso izy.

16Misy manamy trano nony maizina;

Nefa nony antoandro dia miery izy;

Tsy mahalala ny mazava izy;

17Fa ny aizim-pito no marainan’ireo rehetra ireo;

Satria efa mahazatra azy ny fampahatahoran’ny aizim-pito izy.

18Mitsinkafona paohin’ny rano izy;

Voaozona ny anjarany eo amin’ny tany;

Tsy mivily ho amin’ny làlana mankeny amin’ny tanimboaloboka izy.

19Toy ny andevonan’ny maina sy ny mafana ny ranom-panala

No andevonan’ny fiainan-tsi-hita ny mpanota.

20Manadino azy ny vohoka; manjary hanim-py ho an’ny olitra izy

Ka tsy tsarovana intsony;

Ary tapaka tahaka ny hazo ny ratsy fanahy,

21Dia ilay nandroba ny momba izay tsy niteraka

Ary tsy nanisy soa ny mpitondratena.

22Kanefa halavain’Andriamanitra amin’ny heriny ny andron’ny olo-mahery;

Mitsangana indray ireo, na dia tsy nanampo izay ho velona intsony aza.

23Ataony mandry fahizay sy tsara tohana izy,

Sady tsinjoviny mandrakariva ny làlany.

24Nasandratra izy, kanjo vetivety dia tsy ao intsony,

Dia mihalevona izy ka otazana tahaka ny olona rehetra,

Ary tangosana tahaka ny salohim-bary.

25Raha tsy izany, dia aoka hisy hamaky lainga ahy

Ka hampiseho ny teniko ho tsinontsinona.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help