Salamo 10 - Malagasy Protestant Bible

Salamo abidy. Fitarainana sy fangataham-pamonjena noho ny fireharehan’ny ratsy fanahy.

1JEHOVAH ô, nahoana no mijanona eny lavitra eny Hianao

Ka miery amin’ny andro fahoriana?

2Noho ny fireharehan’ny ratsy fanahy dia enjehina mafy ny malahelo;

Azon’ny fihendrena nataony izy ireny.

3Ny ratsy fanahy mandoka izay irin’ny fony;

Ary ny mpierina mahafoy sy manamavo an’i Jehovah.

4Ny ratsy fanahy mirehareha hoe: Tsy hanadina Izy;

Eny, ,,Tsy misy Andriamanitra’’ no tontalin-keviny.

5Tanteraka mandrakariva ny alehany;

Any amin’ny avo lavitra azy ny fitsaranao;

Ny mpandrafy azy rehetra dia ataony hoe: Zinona ireny?

6Hoy izy am-pony: Tsy hangozohozo aho,

Tsy ho azon-doza mandrakizay doria aho.

7Feno ozona sy fitaka ary fanaovana an-keriny ny vavany;

Ao ambanin’ny lelany dia misy fampahoriana sy faharatsiana.

8Mamitsaka amin’ny fanotrehana ao an-tanàna izy,

Ao an-katakonana no amonoany ny marina;

Ny masony mikendry ny mahantra.

9Manotrika ao an-katakonana tahaka ny liona ao amin’ny famitsahany izy;

Manotrika hisambotra ny malahelo izy;

Fandrihany amin’ny haratony no fisambony ny malahelo.

10Torotoro sy mitanondrika ny mahantra

Ka lavo amin’ny herin’ny ratsy fanahy.

11Hoy izy anakampony: Efa nanadino Andriamanitra;

Efa nanafina ny tavany Izy ka tsy hahita mandrakizay.

12Mitsangàna, Jehovah ô; Andriamanitra ô, atsangano ny tànanao;

Aza manadino ny ory.

13Nahoana no mamingavinga an’Andriamanitra ny ratsy fanahy

Ka manao anakampo hoe: Tsy hanadina Hianao?

14Efa nahita ihany Hianao, satria mijery fahoriana sy alahelo, mba hovalian’ny tànanao.

Hianao no iononan’ny mahantra;

Hianao no Mpamonjy ny kamboty.

15Torotoroy ny sandrin’ny ratsy fanahy;

Ary adino ny heloky ny mpanao ratsy mandra-paha-tsy hisy hitanao intsony.

16Jehovah no Mpanjaka mandrakizay doria;

Voafongotra tsy ho amin’ny taniny intsony ny jentilisa.

17Efa nohenoinao, Jehovah ô, ny irin’ny mpandefitra;

Mampiomana ny fony Hianao sady mampihaino ny sofinao,

18Hanomezanao rariny ny kamboty sy ny mahantra,

Mba tsy handroso hampitahotra intsony ny zanak’olombelona etỳ an-tany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help