Josoa 16 - Malagasy Protestant Bible

Ny zara-tanin’ny taranak’i Josefa.

1ARY ny faritry ny tany azon’ny taranak’i Josefa tamin’ny filokana dia hatrany Jordana tandrifin’i Jeriko, dia tao amin’ny ranon’i Jeriko atsinanana, ka hatramin’ny efitra izay fiakarana avy any Jeriko, mamaky ny tany havoan’i Betela,

2dia hatrany Betela ka hatrany Lozy, ka nandroso hatramin’ny fari-tanin’ny Arkita hatrany Atarota,

3dia nidina niankandrefana nahazo ny tanin’ny Jafletita ka hatramin’ny fari-tanin’i Beti-horona ambany sy Gazera ka dia nihatra tamin’ny ranomasina.

4Dia azon’i Manase sy Efraima, taranak’i Josefa, ny lovany.

5Ary ny amin’ny fari-tanin’ny taranak’i Efraima araka ny fokony, ny fari-taniny atsinanana amin’ny lovany dia hatrany Atarot-adara ka hatrany Beti-horona ambony.

6Ary ny fari-taniny dia nandroso niankandrefana hatrany avaratr’i Mikmeta, dia niolaka niantsinanana hatrany Tanata-silo ka nihoatra eo atsinanany hatrany Janoha,

7dia nidina hatrany Janoha ka hatrany Atarota sy Narata, dia nipaka tamin’i Jeriko ary dia nihatra tany Jordana.

8Ary hatrany Tapoa dia niankandrefana ny fari-tany hatramin’ny lohasahan-driak’i Kana, ka dia nihatra tamin’ny ranomasina. Izany no lovan’ny firenena taranak’i Efraima araka ny fokony,

9mbamin’ny tanàna natokana ho an’ny taranak’i Efraima teo amin’ny lovan’ny taranak’i Manase koa, dia ny tanàna rehetra mbamin’ny zana-bohiny.

10Ary tsy nandroaka ny Kananita izay nonina tany Gazera izy; fa monina eo amin’i Efraima ny Kananita mandraka andro-any ka ampanaovina fanompoana.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help