Salamo 77 - Malagasy Protestant Bible

Fahatsiarovana ny amin’ny taon-dasa ho enti-mampionona ny fo, raha mila ho reraka.

1Ho an’ny mpiventy hira. Al-jedotona. Salamo natoan’i Asafa.

NY feoko dia mankany amin’Andriamanitra, ka mitaraina aho,

Eny, ny feoko mankany amin’Andriamanitra, ka mihaino ahy Izy.

2Tamin’ny andro fahoriako no nitadiavako ny Tompo;

Ny tànako nasandratra nony alina ka tsy vizana;

Ny fanahiko tsy nety nampiononina.

3Ta-hahatsiaro an’Andriamanitra aho, ka dia nisento;

Te-hieritreritra aho, ka dia reraka ny fanahiko.

[Sela.]

4Mampiari-tory ny masoko Hianao;

Mitebiteby aho ka tsy mahateny.

5Nihevitra ny andro fahiny aho,

Dia ny taon-dasa ela.

6Ta-hahatsiaro ny nitendreko valiha tamin’ny alina aho;

Te-hidinidinika amin’ny foko aho,

Ary ny fanahiko nanontany mafy hoe:

7Hanary mandrakizay va ny Tompo?

Tsy hankasitraka intsony va Izy?

8Efa nitsahatra mandrakizay va ny famindrampony?

Efa tapitra mandrakizay va ny teniny?

9Efa nanadino hamindra fo va Andriamanitra?

Efa nohidiany an-katezerana va ny fiantrany?

[Sela.]

10Ary hoy izaho: Izao no mahararirary ny foko,

Dia ny niovan’ ny tànana ankavanan’ny Avo Indrindra.

11Hampahatsiaro ny asan’i Jehovah aho,

Fa ta-hahatsiaro ny fahagagana nataonao fony taloha;

12Eny, hisaina ny asanao rehetra aho

Ary hihevitra ny nataonao.

13Andriamanitra ô, amin’ny fitoerana masina ny làlanao;

Iza no andriamani-dehibe tahaka an’Andriamanitra?

14Hianao no Andriamanitra Izay manao fahagagana;

Efa nampahalala ny herinao teny amin’ny firenena Hianao.

15Navotan’ny sandrinao ny olonao,

Dia ny taranak’i Jakoba sy Josefa.

[Sela.]

16Ny rano be nahita Anao, Andriamanitra ô;

Ny rano be nahita Anao ka toran-kovitra;

Eny, nanonjanonja ny lalina.

17Nandatsaka ranonorana ny rahona;

Nikotrokotroka ny lanitra;

Nifanaretsaka koa ny zana-tsipìkanao.

18Ny fikotrokotroky ny kotrokorana dia teo amin’ny tadio;

Nahazava izao rehetra izao ny helatra;

Nihovotrovotra sy nihorohoro ny tany.

19Tany amin’ny ranomasina ny làlanao,

Ary ny nalehanao dia tany amin’ny rano mandriaka,

Ka tsy fantatra ny dian-tongotrao.

20Ny tànan’i Mosesy sy Arona

No nitondranao ny olonao toy ny ondry.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help