Salamo 52 - Malagasy Protestant Bible

Ny loza hanjo izay tsy miambim-bava.

1Ho an’ny mpiventy hira. Maskila nataon’i Davida, fony tonga Doega Edomita ka nilaza tamin’i Saoly hoe: Davida dia efa tonga ao an-tranon’i Ahimeleka.

NAHOANA no mandoka tena amin’ny haratsiana hianao, ry ilay mahery?

Ny famindrampon’Andriamanitra maharitra mandrakariva.

2Loza no heverin’ny lelanao,

Tahaka ny hareza maranitra, ry mpanao fitaka.

3Efa tia ny ratsy noho ny tsara hianao,

Ary ny lainga noho ny miteny ny marina.

[Sela.]

4Ny teny mandripaka rehetra no tianao, ry lela mamitaka.

5Andriamanitra kosa hanimba anao mandrakizay;

Hisambotra anao sy hanongotra anao hiala ao an-day Izy

Ary hamongotra anao tsy ho eo amin’ny tanin’ny velona.

[Sela.]

6Ny marina hijery, dia hatahotra

Ka hihomehy azy hoe:

7Indro, ny lehilahy izay tsy nanao an’Andriamanitra ho heriny;

Fa natoky ny haben’ny hareny ka nikikitra tamin’ny faharatsiany.

8Fa izaho dia tahaka ny hazo oliva maitso ao an-tranon’Andriamanitra.

Matoky ny famindrampon’Andriamanitra mandrakizay doria aho.

9Hidera Anao mandrakizay aho, fa efa nataonao izany;

Ary hiandry ny anaranao eo anatrehan’ny olonao masina aho, fa tsara izany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help