Salamo 61 - Malagasy Protestant Bible

Fangatahan’ny mpanjaka efa nandositra, mba hampodin’Andriamanitra indray.

1Ho an’ny mpiventy hira. Hampiarahina amin’ny valiha. Nataon’ Davida.

HENOY ny fitarainako, Andriamanitra ô;

Tandremo ny fivavako.

2Any am-paran’ny tany no hiantsoako Anao, raha reraka ny foko;

Ento aho ho any amin’ny vatolampy izay avo ka tsy tratro;

3Fa aroko Hianao

Sy tilikambo mafy handosirako ny fahavalo.

4Aoka hitoetra ao an-tranonao mandrakizay aho;

Aoka hialoka ao ambanin’ny fanomban’ny elatrao aho,

5Fa Hianao, Andriamanitra ô, efa nandre ny voadiko;

Efa nomenao ahy ny lovan’izay matahotra ny anaranao.

6Halavao ny andron’ny mpanjaka;

Aoka ny taonany hahatratra ny taranaka maro.

7Aoka hitoetra eo anatrehan’Andriamanitra mandrakizay izy;

Famindrampo sy fahamarinana no tendreo hiaro azy;

8Ka dia izany no hankalazako ny anaranao mandrakizay,

Mba hanefako isan-andro ny voadiko.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help