1Ho an’ny mpiventy hira. Al-jedotona. Salamo nataon’i Davida.
ANDRIAMANITRA tokoa no iantombenan’ny fanahiko;
Avy aminy ny famonjena ahy.
2Izy tokoa no vatolampiko sy famonjena ahy.
Dia fiarovana avo ho ahy, ka tsy hangozohozo loatra aho.
3Mandra-pahoviana no hirohotanareo hamely olona
Sy handrodananareo rehetra azy toy ny mànda mirona sy ny rova mihozongozona;
4Misaina hanongana azy hiala amin’ny voninahiny ireny;
Lainga no ifaliany,
Misaotra amin’ny vavany izy, fa manozona amin’ny fony.
[Sela.]
5Miantombena amin’Andriamanitra tokoa hianao, ry fanahiko;
Fa Izy no antenaiko.
6Izy tokoa no vatolampiko sy famonjena ahy,
Dia fiarovana avo ho ahy, ka tsy mba hangozohozo aho.
7Andriamanitra no iankinan’ny famonjena ahy sy ny voninahitro;
Ny vatolampiko mafy sy ny aroko dia ao amin’Andriamanitra.
8Matokia Azy mandrakariva hianareo, ry olona;
Loary eo anatrehany ny fonareo;
Andriamanitra no aro ho antsika.
[Sela.]
9Zava-poana tokoa ny ambany, ary lainga ny ambony;
Raha hatao amin’ny mizana izy, dia maivana; zava-poana mihitsy izy.
10Aza matoky ny fanaovana an-keriny, ary aza miantehitra amin’ny halatra;
Raha mitombo ny harena, dia aza anorenana ny fonareo.
11Indray mandeha no nitenenan’Andriamanitra;
Indroa no nandrenesako hoe:
An’Andriamanitra ny hery.
12Ary Anao koa, ry Tompo ô, ny famindrampo,
Fa Hianao no mamaly ny olona rehetra araka ny asany avy.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.